Mofon’aina – TALATA 24 OKTOBRA 2017

20 Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ ny fahotan’ ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitro ho an’ ny tendrombohitra masin’ Andriamanitro,21 eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin’ ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.22 Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho.23 Tamin’ ny niantombohan’ ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
DANIELA 9 :20-23

MIVAVAHA    HO  ANAO  SY  NY  FIRENENAO

1-Mibebaha   ho  anao  sy ny firenenao 

Mivavaha  ho azy   sy ny firenen’Israely  i Daniela. Mitondra   ny  fahotan’ny tenany  eo anatrehan’ Andriamanitra  i Daniela  , tahaka  ny ataon’ny  mpisoronabe, aorian’izay  vao  mifona  ho  an’ny fireneny  (jereo  Heb 7 :27) . Mahazatra  ny  maro  ny  mifona  sy  mibebaka  ho  an’ny fireneny  fa adino sy  tsy tsaroany  ny   mivavaka   sy  mibebaka ho an’ny tenany  .Amin’ny  faharavana  sy  ny fahapotehan’ny  firenena dia tomponandraikitra  amin’izany  ny  mpitarika  sy ny mpino  tsirairay . Loarina  hatrany anaty ny fifonana  eo anatrehan’i Jehovah (and 20).Mandiniha mba  tsy  hamerenana  ny hadisoana  sy ny fahotana  intsony  rehefa mibebaka marina.

2-Mampahalala ny sitrapony Andriamanitra 

Maniraka  ny  anjely  Gabriela na ilay   maherin’ Andriamanitra  i  Jehovah. Ny  anjely   dia iraka  no heviny  , ka miasa  araka ny Testamenta taloha , hitondra  ny hafatr’ Andriamanitra   amin’ny  olona  sy  ny  mpanompony  . Tamin’ny fotoana  fivavahana fanaovana  fanatitra  no nitenenany  tamin’i  Daniela  ny  hevitry ny fahitana  sy nanazavana  ny  sainy  (and 21-22). Maniraka ny  anjeliny  Andriamanitra  hanambara ny  fahamarinanya sy  ny fitiavany  satria « malala indrindra ianao  » (and 22). Andriamanitra manazava  ny  sitrapony  sy  ny faminaniana  amin’ny malalany . Mivavaha  amin’ny fotoana  efa  natokana  ho  fihaonana amin’ny  Tompo.

Fanontaniana:

Ahoana  no fomba  itenanan’ny  Tompo  amin’ny mpino ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !