Mofon’aina – Talata 26 janoary 2016

19 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.20 Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;21 Fa na mivily ho amin’ ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin’ ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.22 Ary holotoinao [Heb. holotoinareo] ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ ny sampinao voasokitra Sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ ny sampinao an-idina, Ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.23 Ary dia hanome ranonorana ho an’ ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin’ izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ ny tany malalaka;24 Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin’ ny sahiratsy sy ny fikororohana.25 Ary any amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin’ ny andro lehibe famonoana, dia amin’ ny andro hianjeran’ ny tilikambo.26 Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
ISAIA 30 :19-26

NY ANDRIAMANITRA INOANTSIKA

Tsy hay avahana ny toetran’Andriamanitra sy ny asany fa ny toetrany dia asehony amin’ny asa ary ny asany dia vokatry ny toetrany . Farafahakeliny dia misy toetra efatra entin’ Andriamanitra miasa hamonjena ny vahoakany sy hampaherezana azy.

1-Andriamanitra mandre ny fitarainan’ny vahoakany

Mampitsahatra ny ranomason’ny vahoakany ny Tompo eo amin’ny and 19, satria mihaino ny fitarainany Izy. Averiny indroa eto ny hevitra, ary hamafisina fa mandre ny Tompontsika. Koa mivavaha ary antsoy Izy.

2-Andriamanitra mamonjy amin’ny fahoriana

« mofo fahoriana sy rano fahalahelovana » : tsy karaza-mofo sy rano hafa izany, fa enti-milaza ny anomezan’ny Tompo mofo amin’ny fotoam-pahoriana, ary rano amin’ny fotoana mampalahelo. Mampitodika any amin’ny ady anaovana fahirano ny vahoakany izany, kanefa Izy no manome azy ireo izany hanina izany.

3-Andriamanitra mitantana sy manoro làlana

« Ity no làlana ka andehano », hoy Izy . Tsy Tompo miandry kendry tahana amin’izay fotoana mety hahasolafaka antsika Izy , fa manoro làlana sy mitantana .

4-Andriamanitra mitahy

Fitahiana no ambaran’ny orana mahavokatra sy ny fanomezana tsy hita lany, voalazan’ny and 23-25. Mpanome fiainana sy fiadanana ary fitahiana ny Tompo. Ataony amintsika sy omeny antsika ireo, fa ny zanany lahitokana aza efa foiny ho antsika.

Fanontaniana :

Moa mbola misy toetra na asan’ny Tompo ankoatra ireo voalazan’ny Mofonaina androany ve ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !