Mofon’aina – TALATA 26 JIONA 2018

10 Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin’ ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin’ ny mpiandry ondry ny ondriny.11 Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin’ ny tanan’ ny mahery noho izy.12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin’ ny havoan’ i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin’ ny zava-tsoan’ i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak’ ondry ary ny zanak’ omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.13 Ary amin’ izany dia ho faly amin’ ny fandihizana ny virijina mbamin’ ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin’ ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
JEREMIA 31 :10-14

NY FAHASOAVAN’IZAY MANKATO SY MITANDRINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Fantatry ny kristiana tsara  fa Andriamanitra  dia fitiavana  ary  maneho  izany  sy  manasoa ny olona amin’izany  tokoa Izy. Na izany  aza anefa   dia tsy  tokony   hohararaotin’ny  olona hanaovana  zavatra  tsy  manjary  izany. Aoka ho tsaroana hatrany fa:

1-Mampiely  ny olona Andriamanitra

Tokony ho tsara  hatrany  ny fifandraisan’ Andriamanitra  amin’ny  olona raha toa  ka mankato  sy feno  tahotra  azy ny  olona, kanefa  tsy izany  loatra  no zava-misy .Fanaon’ny olona ny  mivadibadika  amin’ Andriamanitra  ary mahavita  izay ratsy  indrindra aza ny olona . Tena  zavatra  mahatezitra an’ Andriamanitra  mihitsy izany  ary efa hanarina hatrany  ny olona tsy hanao  izany  nefa  mafy loha tsy azo tenenina. Koa tsy mahagaga raha faizin’ Andriamanitra. Maro  ny endrika  famaizan’ Andriamanitra, fa eto dia ny fampielezany ny olona no mitranga , izany  hoe: lasa babo any  amin’ny tany hafa (jereo  Sal 137)

2-Manangona ny  olona koa Andriamanitra 

Mahagaga koa anefa  io Andriamanitra  io fa na dia tezitra  mafy  amin’ny olona aza ka manafay  azy  dia manao  izay hanavotana azy hatrany. Ireo  nampieleziny  dia mbola hangoniny  indray  ho eo  amin’ny tany  efa notendreny  ho lovany. Amin’izany  tsy hoe:monina fotsiny  fa hanomanany zavatsoa : fitomaniana hiova fifaliana ary ho voky ny olona. Homeny  ny olona  izany , omeny anao , omeny ny Malagasy raha misy olona vonona hanaraka ny teniny sy ny sitrapony .

Fanontaniana

Misitraka ny soa sy ny fitahian’Andriamanitra ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !