Mofon’aina – TALATA 26 SEPTAMBRA 2017

28 Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’ Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin’ ny jentilisa, ary izy hihaino azy.30 Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy,31 dia nitory ny fanjakan’ Andriamanitra ka nampianatra ny amin’ i Jesoa Kristy Tompo tamin’ ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.
ASA 28 :28-31

NY  OLOM-BOAFIDIN’ ANDRIAMANITRA

1-Manambara  fa ho an’ny olona rehetra ny famonjena 

Na dia efa  nifatotra noho  ny amin’ny fitoriana ny Filazantsara aza i Paoly  Apostoly  dia tsy  nitsahatra nanatanteraka  ny asa nifidianan’ Andriamanitra   azy . Eto  izy dia manao  fanambarana  lehibe fa nanana anjara  amin’ny famonjena  notanterahin’ Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy  koa na dia ny jentilisa aza. Midika izany  fa tsy manavaka  Andriamanitra , ny olona rehetra no sitrak’ Andriamanitra  ho ao amin’ny famonjeny  , handray  ny fiainana omeny  . Mampianatra antsika koa izany hilaza , hijoro ho vavolombelona amin’ny manodidina antsika fa tian’ Andriamanitra handray  ny famonjena ihany koa izy .

2-Mitory  hatrany ny Filazantsara  

Niharan’ny fanenjehana maro samihafa  i Paoly  Apostoly  tamin’ny fotoana nanatanterahany  ny Asa fitoriana  ny Filazantsara . Miharihary  eto fa tsy nahasakana azy hijoro  hatrany ho vavolombelon’ilay  niantso  sy nifidy  azy  izany . Voalaza eto  fa nanohy  hatrany  nitory  ny Filazantsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra  izy  , nampianatra  ny olona  ny amin’i Jesoa Kristy  sy ny famonjena notanterahiny . Zava-dehibe  taminy  ny fitaomana  ny olona rehetra  hahalala ny fitiavan’ Andriamanitra ka hanaiky  an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy  azy  . Tsarovy fa ny olom-boafidin’ Andriamanitra dia tsy  mihemotra fa mandroso  hatrany  mijoro  ho vavolombelon’ilay namonjy azy .

Fanontaniana :

Nahoana no tsy mihemotra ny mpitory  ny Filazantsara  fa mandroso  hatrany  na dia  misy mpanenjika aza ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !