MOFON’AINA TALATA 27 AOGOSITRA 2019

14 Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’izao zavatra noharin’Andriamanitra izao: 15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao. 16 Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako hianao; 17 fa hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; 18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. 19 Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha. 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. 21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany. 22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.
APOKALYPSY 3 :14-22

MANDRESY AMIN’NY FOTOAN’NY FANENJEHANA

Amin’ny ankapobeny ny bokin’ny Apokalypsy dia boky tena miavaka satria nosoratana manokana izy ity mba ho fampaherezana ireo kristianina izay niharan’ny fanenjehana sy ny fampahoriana samihafa noho ny filazantsara tamin’ny taonjato voalohany. Miavaka ihany koa ny hafatra manokana ho an’ny fiangonana fito tany Azia satria miafara mandrakariva amin’ny fampanantenana tsara mandrakariva izany ho an’izay ambara fa mandresy. Ireto no hafatry ny Fanahy mba ho enti-mandresy amin’ny ady hatrehin’ny fiangonana

  1. Mafana fo amin’ny finoana (and 15,16)

« Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao. 16 Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka »

Matimaty tamin’ny finoana ireo kristianina tao amin’ny fiangonan’i Laodikia ka nahatonga an’Andriamanitra nanafatra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina azy ireo ho mafana fo amin’ny finoana. Io hafanam-pinoana io, io hafanam-po amin’ny asan’Andriamanitra io mantsy no ho enti-mandresy amin’izay endriky ny fanenjehana mahazo ny kristianina. Ny hafanam-po amin’ny asan’ny Tompo dia fanehoana firehetam-po amin’ny asan’Andriamanitra, amin’ny fanarahana ny Tompo na dia eo aza ny fanenjehana.

  1. Manaiky hanarina sy faizina (and 19)

« Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha »

Mazava tsara fa Andriamanitra dia mananatra sy manafay ny zanany, indrindra izay maditra. Eto moa dia ambaran’i Jaona tsara ny tanjon’ny famaizana sy ny fananarana. Tsy inona izany fa ny fibebahana, izany hoe ny fiverenana amin’Andriamanitra. Amin’ny maha-kristianina dia mila manaiky ho faizina sy anarina ny mino, mila manaiky izany ho fitaoman’Andriamanitra azy hiverina amin’ny lala-marina izy. Be dia be mantsy no tsy manaiky ho faizina, be dia be no tsy mandray fananarana hany ka tsy mba mety miova. Anisan’izay fomba hanabeazan’Andriamanitra ny mino ny kristianina ny famaizana.

  1. Mandray an’i Jesoa Kristy (and 20)

« Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko »

Rehefa nandray ny famaizan’ny Tompo ny mino, miverina ao amin’Andriamanitra dia tsy maintsy mandray an’i Jesoa izy. Ny fandraisany an’i Jesoa no manome hery azy handresena amin’ny ady hatrehiny. Misy dingana izany fandraisana an’i Jesoa izany eto:

** Jesoa manatona ka mandondona

** ny olona mandre ka mamoha varavarava

** Jesoa miditra ka monina sy mitoetra

Rehefa tafiditra eo amin’ny fiainan’ny mino Jesoa ka mitoetra ao dia izany no miantoka tanteraka ny fandreseny amin’ny zavatra rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.