Mofon’aina – Talata 27 desambra 2016

13 Ary tamin’ izany Tatenay, governora amin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin’ ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain’ i Dariosy ho any aminy izany.14 Dia nanao ny trano ny loholon’ ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian’ i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak’ Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin’ Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin’ i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia.15 Dia vita io trano io tamin’ ny andro fahatelo tamin’ ny volana Adara tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Dariosy mpanjaka.16 Ary ny Zanak’ Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ ny fahababoana, dia nitokana io tranon’ Andriamanitra io tamin’ ny fifaliana;17 ary ny nateriny hitokanana io tranon’ Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak’ ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an’ ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin’ ny folo, araka ny isan’ ny firenen’ Isiraely.18 Dia nanendry ny mpisorona ho amin’ ny firazanany avy sy ny Levita ho amin’ ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an’ Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Mosesy.
EZRA 6 :13-18

NY NAHAVITANA NY TEMPOLY SY NY NITOKANANA AZY

Rehefa tafaverina avy tany am-pahababoana ,tany Babylona ny Jiosy dia niezaka hanorina indray ny tempoly.Ny nahavitana ny tempoly sy ny nitokanana izany no tantaraina eto.

1-Iza avy ireo mpiara-miasa tamin’Andriamanitra ?

Tao ny mpitondra fanjakana : i Dariosa mpanjaka izay namoaka didy hanohizana ny fanaovana ny tempoly (and 12), ireo loholona nanohy ny fanaovana ny taotrano (and 14), ny Mpaminany Hagay sy Zakaria nampahery tamin’ny alalan’ny Tenin’ Andriamanitra (and 14) fa Andriamanitra kosa no anton’ny fahombiazana amin’izay rehetra natao .Hitantsika araka izany fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra eo ambany fitahian’ Andriamanitra no antoky ny fahavitana ny asany. Fampianarana ho antsika izany.

2-Ahoana ny fomba nitokanana ny Tempoly ?

Ny rehetra nody avy any am-pahababoana no niara-nitokana izany .Afaka naneho ny hafaliany ny rehetra na dia mbola sahirana ara-pivelomana aza ny mponina.Notendrena ny Levita sy ny Mpisorona hitarika ny fanompoampivavahana.Hitantsika araka izany fafifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra tokoa izany hoe : mahavita ny tranon’ Andriamanitra izany.Ilàna fiomanana koa ny fandrindrana ny fanompoampivavahana amin’ny tànan-dehibe toy izany. Aoka hisy olona efa voaomana hiandraikitra ny fanompoampivavahana tahaka ireo Levita sy ny Mpisorona (and18).

Fanontaniana :

Inona no anjara biriky entinao hanaovana ny tranon’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !