MOFON’AINA TALATA 27 NOVAMBRA 2018

29 Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.30 Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.31 Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra.32 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.35 Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ ny tany rehetra izany.36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.
LIOKA 21 : 29-36

NY ANDRO FARANY

Raha mandinika izay voalazan’ny Soratra Masina isika, ka ekentsika ho marina izany, dia tsy isalasalana fa vanim- potoana manakaiky ny farany izao androntsika izao. Nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany fa ny andro farany dia:

1- Fotoana ialohavan’ny famantarana.

« Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra » (and.31). Ankehitriny dia efa miseho avokoa ny ankabeazan’ireo famantarana nolazain’ny Tompo ireo: mpaminany sandoka, ady sy tabataba, horohoron-tany sy mosary, fanenjehana, fisamborana, fanagadrana, tondra-drano (and.25), tebiteby sy ahiahy… (and.8, 9, 11, 12,25)

2- Fotoana fiambenana.

Tsy foin’Andriamanitra ho very isika ka nambarany tamintsika ireo famantarana mialoha ny andro farany ireo. Tsy ampy anefa ny hoe mahalala fotsiny, ka miandry izay hiseho, fa raha izany dia ho very ihany isika. Ambaran’ny Tompo amintsika izay tokony hatao: « Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibana sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao… Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin’izany loza rehetra efa ho avy izany… » (and.34, 36- DIEM). Anarina isika mba tsy hanao ny fanaon’izao tontolo izao, fa ahonon-tena sy ho marim-pijoro eo anatrehany; omeny toky isika mba tsy hanahy, taomina isika mba hivavaka mandrakariva.

Fanontaniana:
Ahoana ny fandraisanao ny hoe: « Marim-pijoro »?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !