MOFON’AINA TALATA 28 APRILY 2020

20 Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian’i Jesoa manaraka, dia ilay niankina tamin’ny tratrany tamin’ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao? 21. Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin’ity lehilahy ity? 22. Hoy Jesoa taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. 23. Ary niely tamin’ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesoa tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? 24. Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany. 25. Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’i Jesoa, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra
JAONA 21 : 20-25

JAONA APOSTOLY, VAVOLOMBELONA MARINA

Mamarana ny fitantarany ny fiainan’i Jesoa teto an-tany Jaona eto amin’ity mofonaina ity. Miseho eto ny atao hoe vavolombelona marina. Amin’i Jaona ny vavolombelona marina dia

  1. Miombom-piainana amin’i Jesoa (and 20)

« Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian’i Jesoa manaraka, dia ilay niankina tamin’ny tratrany tamin’ny fisakafoana »

Ambaran’ny fitantarana eto fa tian’i Jesoa ity mpianatra iray. Lojika raha tiany satria miombom-piainana Aminy. Ilay fiankinana amin’ny tratra dia tena filazana fiombonana feno, filazana fifamatoram-pifankatiavana teo amin’i Jaona sy Jesoa.

Azo atao tsara araka izao ny mifamatotra amim-pifankatiavana amin’i Jesoa, azo atao tsara ny miombom-piainana feno Aminy. Izay mahavita izany no afaka hijoro ho vavolombelony marina.

  1. Miandany aminy Jesoa (and 22)

« Jesoa taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? »

Te ahafantatra ny amin’i Jaona manokana Petera eto. Ny fanontanian’i Petera amin’ny lafiny iray dia toy ny milaza hoe fa nahoana no misy fifandraisana manokana amin’i Jaona Jesoa. Teo anatrehan’izany dia asehon’ny tantara fa arovan’i Jesoa Jaona eto. Novaliany mazava tsara Petera fa tsy misy idiran’i Petera izay fifandraisany manokana amin’i Jaona. Tonga amin’ny ilay fitenin-jatovo hoe aza miditra amin’izay tsy tokony hidirana. Lojika ilay fiarovan’i Jesoa satria aseho fa mpianatra tiany io, niankina teo an-tratrany.

Vavolombelona marina Jaona, tian’i Jesoa ka miandany aminy Jesoa, miaro azy Jesoa. Isika koa no tena vavolombelon’i Jesoa, izay sady tia an’i Jesoa no tiany rahateo ka hiandaniany sy harovany.

  1. Marina ny fanambarany an’i Jesoa (and 24)

« Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany »

Jaona no ambara eto fa vavolombelona. Jaona dia iray amin’ireo vavolombelona nahita maso an’i Jesoa sy ny fiainany (temoin occulaire). Apostoly rahateo izy. Satria nahita maso izy ka afaka manambara MARINA izay hitany maso (Jesoa sy ny fiainany, indrindra ny fahavelomany).
Isika indray izao, isika kristianina no vavolombelon’i Jesoa, tsy « temoin occulaire » isika fa vavolombelon’i Jesoa araka ny fahalalana azontsika ao amin’i Soratra Masina. Koa satria vavolombelona isika noho ny Tenin’Andriamanitra dia marina toa izany koa izay fanambarantsika. Mila mifototra tsara amin’ny Soratra Masina isika raha te hijoro ho vavolombelona marina arak’izao, mila mahay Soratra Masina tsara. Ary mila manaiky fa Jesoa no ivon’ny voasoratra ao amin’ny Soratra Masina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.