MOFON’AINA TALATA 28 DESAMBRA 2021

1 Paoly, mpanompon’i Jesoa Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ny filazantsaran’Andriamanitra, 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin’ny Soratra Masina, 3 ny amin’ny Zanany, Izay nateraka avy tamin’ny taranak’i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty, – dia Jesoa Kristy Tompontsika, 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ny jentilisa rehetra; 6 ary ianareo koa, izay isan’ireny, dia voantso ho an’i Jesoa Kristy, – 7 ho an’izay rehetra any Roma, malalan’Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.
ROMANA 1 :1-7

NY OLONA NANTSOIN’NY TOMPO HANAO NY ASANY

Tokony ho haintsika ny mamantatra ny olona tena voantso :

1-Mpanompo (and 1)

Ny dikan’ny teny hoe: « mpanompo » dia « andevo ». Ny andevo dia fananan’olona, tsy manan-tsafidy, fa izay sitrapon’ny tompony no tsy maintsy tanterahiny. Nanaiky an-tsitrapo ho andevon’i Jesoa Kristy ny Apostoly Paoly .Ary tsy avy Aminy, na tamin’ny zalalan’ny olona no nahatonga azy ho Apostoly fa avy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray. Ny tena mpanompon’Andriamanitra dia manetry tena, ary ny sitrapon’Ilay niantso azy no zava-dehibe aminy .Izany no anekeny an-tsitrapo ho andevo .Tokony hifantoka tsara amn’izany toe-panahy feno fanetrentena izany izay rehetra manao ny asan’Andriamanitra. Ka ny maha-mpanompo, « andevo » dia aseho amin’ny asa eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny namana. « Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra » (Lio 14.11)

2-Voatokana ho amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra

Mety hanana ahiahy ny Fiangonana noho ny fisian’ny mpaminany sy ny Apostoly sandoka izay manakorontana sy mampisara-bazana ny samy kristiana. Noho izany, dia tokony ho fantatra mazava tsara dieny aty am-piandohana ny mombamomba ireny olona mamita iraka na nandefa taratasy samihafa ireny . Nanome toky ny Apostoly Paoly fa ny Filazantsaran’Andriamanitra no toriany, izay miorina ambonin’ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany ao amin’ny Soratra Masina. Jesoa Kristy no ivon’ny Filazantsara, Zanak’Andriamanitra tonga olombelona sady manana ny toetra maha-Andriamanitra Azy .Voatokana ho amin’izany ny mpanompon’Andriamanitra .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.