Mofon’aina – TALATA 29 AOGOSITRA 2017

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.2 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga hianareo?3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.4 Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.5 Manatera fanati-pahamarinana, ary matokia an’ i Jehovah.6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô.7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin’ ny taona nahabetsahan’ ny variny sy ny ranom-boalobony.8 Handry amin’ ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’ izay, satria Ianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
SALAMO 4 :1-8

NY  VAVOLOMBELON’NY  TOMPO

1-Mahazo  valimbavaka

Manome safidy  malalaka  ny  Tompo  ho an’ny tsirairay . Tsy  tokony hadinontsika  anefa ny herin’ Andriamanitra  fa tena  azo ianteherana tokoa , na dia  potika sy rava  aza ny zavatra rehetra , ary na  eo  aza ny  fijaliana sy ny fahoriana , ny Tompo eo mandrakariva . Jehovah hihaino  raha miantso  Azy Aho  (Sal 4 :3), tsy miova  omaly sy anio  ary mandrakizay  Izy  ka mamaly vavaka . Mampanantena  ny Tompo  fa ho avy   ny  fotoana  izay hanavahany ny tsara  sy ny ratsy , ary  ny tsara  izay ankasitrahany  dia hiaina  amin’ny fiadanana sy fifaliana  mandrakizay  .

2-Mandresy  ny fahotana

Misy  ny sasany , izay  milaza  azy ho mpanompo kanefa  miaina  ao anaty  faharatsiana . Toa zary endrika ivelany ihany   ny maha- kristiana  kanefa  manara-po  amin’ny filàna  maro  samihafa  ary  miaina  amin’ny tsy fahamarinana , manjary  manala baraka an’i Kristy . Tia zava-poana. Miala amin’izany  ny tena mpanompon’ Andriamanitra araka  ny baiko hoe : « tezera  fa aza manota » (Sal 4 :4).

Fanontaniana :

Inona  avy ireo  fepetra sy dingana  mba handraisana valim-bavaka ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.