Mofon’aina – Talata 29 novambra 2016

11 Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesoa ka nanao fanoharana, satria efa akaiky an’ i Jerosalema Izy, ka nataon’ ny olona fa hiseho faingana ny fanjakan’ Andriamanitra.12 Dia hoy Izy: Nisy andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina.13 Dia niantso folo lahy tamin’ ny mpanompony izy ary nanome azy farantsa [Gr. mina = drakma = tokony ho farantsa 15] folo ka nanao taminy hoe: Mandrantoa mandra-pihaviko.14 Fa ny vahoakany [Na: vahoaka namany]nankahala azy, dia nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’ iny lehilahy iny izahay.15 Ary nony tafaverina izy, rehefa nandray fahefana hanjaka, dia nasainy nantsoina hankeo aminy izany mpanompo nomeny ny vola izany mba hahitany izay azony tamin’ ny fandrantoana.16 Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa nahazoana tombony farantsa folo.17 Ary hoy izy taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara; satria nahatoky tamin’ ny kely indrindra ianao, dia manapaha tanàna folo.18 Dia tonga ny anankiray koa ka nanao hoe: Tompoko, ny farantsanao iray efa tonga farantsa dimy.19 Ary hoy koa izy tamin’ io: Manapaha tanàna dimy koa ianao.20 Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: Tompoko, indry ny farantsanao, izay notehiriziko voafono amin’ ny mosara.21 Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.22 Ary hoy ny tompony taminy: Ny vavanao no hitsarako anao, ry mpanompo ratsy fanahy: fantatrao fa izaho dia olona mila voatsiary ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko;23 koa nahoana no tsy napetrakao tamin’ ny mpanana vola ny volako, ka rehefa tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany?24 Ary hoy izy tamin’ izay nitsangana teo anilany: Alao ny farantsa eny aminy, ka omeo ilay manana farantsa folo25 (Fa hoy ireo taminy: Tompoko, efa manana farantsa folo izy.)26 Lazaiko aminareo: Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’ izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.27 Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento atỳ, ka vonoy eto anatrehako.28 Ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema.
LIOKA 19 :11-28

MANDRAY NY ANDRAIKITRA NOMENA AZY NY MINO

Fanoharana manazava ny fandraisana andraikitry ny mpino nomen’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana no teny voalahatra ho antsika androany .

1-Manome andraikitra ny Tompo

Toy ny nataon’ity andriandahy ity tamin’ireo mpanompony , ny Tompo dia manome fanomezam-pahasoavana samihafa ho antsika mpanompony , araka izay maha-isika antsika mba hampiasaina sy hampitomboina hanitarana ny fanjakany . Mila miasa araka izany isika eo amin’ny sehatra rehetra nametrahany antsika. Fantaro àry ny fanomezam-pahasoavana nomeny anao. Inona no asa fanompoana efa nizoranao hà fampandrosoana ny fiangonana sy ny fitoriana ny Filazantsara ? Miandry anao ny Tompo. Tanteraho ny fanompoanao.

2-Mamaly fitia araka ny asa vita ny Tompo

Mbola hiverina ny Tompo ka hamaly antsika araka ny asa nataontsika . Ireo niasa araka ny fanomezam-pahasoavana nomena azy dia handray valimpitia tena miavaka ho mpiara-miasa mahatoky ao amin’ny fanhakany . Ireo nandevina talenta kosa dia hiharan’ny fitsarana ho famaizana, ho fahaverezana.
Aza manjehy ny andro lava ianao fa miasà. Ampiasao ny talenta nomen’ny Tompo anao. Ny fikasan’ny Tompo dia ny hanome anao ny fiainana, eny ny tena fiainana ao Aminy.

Fanontaniana:

Fantatrao ve ny fanomezam-pahasoavana nomena anao ? Ampiasainao ve izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen