MOFON’AINA TALATA 31 MAY 2022

24Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.25Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. 26Any no alehan’ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any. 27Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ny fotoany. 28Manome Ianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Ianao, dia voky ny soa izy; 29Manafina ny tavanao Ianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ny vovoka nanalana azy, 30Maniraka ny Fanahinao Ianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ny tany Ianao.31Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ny asany. 32Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka. 33Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina. 34Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’i Jehovah. 35Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.SALAMO 104:24-35

NY FANAHY MASINA SY NY ZAVA-BOAHARY

Manana anjara toerana manokana hitondran’ Andriamanitra ny zava-boahary ny Fanahiny. amin’ny alalan’ny

1- Ny Fanahin’Andriamanitra : Mpahary

«Maniraka ny Fanahinao ianao, dia àry izy…» Ny Fanahiny no nentin Andriamanitra nahary sy namoronany zavatra rehetra. Safidin’ Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra, Izy no Tompon ny hevitra hahary ny zavatra rehetra. Azo ambara fa vinan’ Andriamanitra noho izany ny fahariana . Izy Andriamanitra no nandamina. Ny Fanahin’ Andriamanitra kosa no nandavorary ny zavatra rehetra, tsaroana amin izany ny Gen 12-ary Fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano

2- Ny Fanahin’Andriamanitra: mpamelona

«ary manavao ny tarehin’ny tany ianao»: Ilay tontolo noharin’ Andriamanitra dia mila aina. fahavelomana. Ilay manavao tarehin’ny tany dia azo ambara hoe: manome aina. manome endrika ilay asa fahariana nataon’ Andriamanitra. Izany hoe :ny Fanahin’ Andriamanitra dia manome aina, mamelona, manome endrika ny zavatra rehetra. Tsarovy fa isika olombelona dia noharian ‘Andriamanitra hitovy endrika Aminy. hifandray Aminy. Simban’ny fahotana anefa izany. Nomena ho antsika ny Fanahy Masina mba hanavao antsika, hanome fiainana vaovao ho antsika. Meteza hotarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva mba hananao fiainana vaovao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.