MOFON’AINA TALATA 5 JOLAY 2022

Ary rehefa tonga teo amin’ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe: 15 Tompoko, mamindrà fo amin’ny zanako-lahy, fa mararin’ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin’ny afo, ary matetika ao amin’ny rano. 16 Ary nitondra azy tamin’ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy. 17 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Ento aty amiko izy. 18 Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’izay ora izay. 19 Dia nankao amin’i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy? 20 Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.MATIO 17:14-20

MANANA FINOANA HOATRA NY VOAN-TSINAPY IRAY

Mpianatra tsy nahomby ary bedin’i Jesoa no hitantsika eto amin’izao mofonaina izao. Tsy nahavoaka demonia izy ireo noho ny fahakelezan’ny finoany araka ny tenin’i Jesoa. Soa fa nisy an’i Jesoa teto dia resy ny demonia. Ary izay rehetra tonga eo amin’i Jesoa rahateo, araka izay hitantsika eto dia sitrany avokoa. Avy amin’izany no nampianaran’i Jesoa fa raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy ny mpianatra dia tsy hisy tsy ho hainy araka ny and 20. Ny finoana hoatra ny voan-tsinapy dia

1. Mitombo

Voa faran’izay kely ny voan-tsinapy fa rehefa mahazo tany sy avela hamaka tsara dia tonga hazo lehibe iray. Ilay fahazoana faka tsara, ilay famelana ilay voa hitombo no mahatonga azy ho hazo lehibe. Rehefa avelan’ny olona hamaka ao am-pony Jesoa, rehefa avelan’ny olona hitombo ao aminy Jesoa dia hahay ny zavatra rehetra tokoa izy. Jesoa mantsy no Andriamanitra ao anatintsika, ary rehefa ao amintsika Andriamanitra, tsy misy na iza na iza mahatohitra antsika. Ary tena hahomby amin’ny zavatra rehetra isika, hahomby amin’ny fahaiza-mamaha olana, hahomby amin’ny fahaiza-mamaha ny fatoran’ny demonia, hahomby amin’ny fampandrosoana ny finoana sy ny fanjakan’Andriamanitra. Avelao hamaka sy hitombo ao amintsika Jesoa fa izany no antoka hahombiazana amin’ny zavatra reheta.

2. Mahery (and 20)

« Noho ny fahakelezan’ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà ery, dia hifindra izy »

Asehon’i Jesoa eto fa rehefa avela hitombo ny finoana dia mahavita zava-mahagaga ny olona. Rehefa avela hitombo ao amin’ny olona Jesoa dia vitany hatramin’izay mety ho zavatra tsy araka ny lôjika fahita eto amin’izao tontolo izao. Tsy zavatra mora izany mamindra tendrombohitra izany kanefa noho ny finoana dia vita izany. Aseho fa tena mahery ny finoana rehefa ampiasaina. Ny finoana tokoa mantsy, araka izay efa nampianarina antsika no manetsika an’Andriamanitra hiasa ho antsika. Izay namela an’i Jesoa hitombo tao aminy, izay tena nampiasa ny finoana dia nahita fahombiazana mandrakariva teo amin’ny fiainany. Mahombiaza koa ianao, ampiasao ny finoanao, manàna finoana hoatra ny voan-tsinapy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.