Mofon’aina – ZOMA 01 DESAMBRA 2017

1 Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy.2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.3 Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy.6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
1 JAONA 3 :1-6

            IREO POROFOM-PITIAVAN’ ANDRIAMANITRA

Vavolombelon’ny fitiavany  antsika  tokoa ny Tompo . Porofon’izany ny :

1-Niantsoany  antsika  ho zanany (and 1-2)

Tonga  zanak’ Andriamanitra isika noho  ny fampihavanana  nataon’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana sy  ny finoana  Azy. Tsy avy  amintsika  izany  fa tena  fitiavan’ Andriamanitra   te-hanangana  antsika  ho  zanany. Porofom-pitiavana  no azo  ilazana ny nantsoan’ Andriamanitra  antsika ho zanany  satria  tonga mpiombona aina   Aminy  sy mpiray  lova  amin’i Jesoa zanany  isika .Fitiavana  azo antoka ihany  koa   satria  toetra  maha-Ray  be fitiavana  no entiny maneho  ny fitiavany  sy  mifandray  amintsika zanany .

2-Nanesorany  ny otantsika  

Mpanota  isika olombelona. Notorontoronina  tamin’ny ota rahateo isika ka mora mivily  ho  amin’ny ratsy. Tia antsika anefa Andriamanitra  ka  tsy  mijery arina an-tava. Fitiavana lehibe no nasehony   tamin’ny nanesorany  tsy  ho eo anatrehany  ny  fahotantsika ka ny Ran’i Jesoa latsaka teo  amin’ny hazo  fijaliana no  nanadio  antsika ho  afaka amin’ny ota rehatra ( 1 Jao 1 :7)

Fanontaniana:

Inona no marika hita maso hanaporofoana ny  maha- Zanak’ Andriamanitra antsika?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !