Mofon’aina – ZOMA 01 JIONA 2018

1 Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.2 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy;3 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!4 Aoka hifaly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.5 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Jehovah ô.
SALAMO 70 :1-5

ANDRIAMANITRA NO MPAMONJY SY MPANAFAKA AMIN’NY FOTOANA REHETRA

1-Antsoy faingana Izy (and 1,5)

Aoka  isika hahatsiaro ho dodona ka  tsy  hangataka  andro intsony. Antsoy ny Tompo  fa  Izy  irery ihany  no azo  antoka  hanafaka  antsika amin’ny  fandriky  ny fahavalo sy izay  ta-hanisy ratsy . Hoy ny  Soratra masina : « Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra  lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao »( Jer 33 :3)

2-Apetraho Aminy ny ady (and 2,3)

Mety alaim-panahy isika ka hamaly  izay  manisy ratsy  antsika. Ampianarina isika hatoky  fa fitaovam-piadiana enti-mandresy  ny vavaka.  « …mba ho menatra  sy hangaihay  ary ho afa-baraka izay  mitady  hanisy ratsy  sy mifaly amin’ny fahavoazantsika »Angataho ny Tompo  handray  an-tànana amin’ny adintsika . « Jehovah  hiady  ho anareo , fa ianareo kosa hangina » (Eks 14 :14).

3-Mivavaha  ho an’ny hafa (and 4)

Tsarovy fa tsy ianao  irery akory no miatrika zava-tsarotra sy manahirana. Mety  misy aza mizaka ny mafimafy kokoa noho ianao ka velon-taraina sy fatra-pitady famonjena avy amin’ny Tompo. Mampianatra  antsika ny mpanao salamo  mba hivavaka ho azy ireny, araka ny voasoratra hoe »Aoka hifaly  sy ho ravoravo aminao izay rehetra  mitady  Anao, ary aoka  izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no tsaroanao  sy  voatonon’ny vavanao  voalohany  raha sendra loza tampoka ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !