Mofon’aina – ZOMA 01 SEPTAMBRA 2017

6 Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ ny olona rehetra noho ny teniny.8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
JAONA 1:6-8

Anisan’ ìzay manahirana indrindra ny mitady olona manaiky atao vavolombelona amin’ny raharaha sarotra, indrindra  eny amin`ny fitsarana. Tsy tokony ho izany kosa anefa ny vavolombelon ‘ny Tompo, tsy tokony ho sarotra tadiavina izany satria :

1- Vavolombelona nirahina (and 6)

Tsy olona naniraka ny tenany, na nandeha tsy voizina  i Jaona , fa fantany tsara , fa Andriamanitra no nifidy azy, ary tsy vitan`ny hoe nifidy azy fotsiny fa naniraka azy koa . Azo antoka fa tao anatin’ny fahendren’ Andriamanitra ny  fiantsoana sy fifidianany ary ny fanirahany azy. Isika koa dia tena olona nirahin’ Àndriamanitra. Koa aza menatra ny ho vavolombelon`ny Tompontsika. Fa tsy vitan`ny maniraka fotsiny  ny Tompo, fa Izy koa dia manana asa mazava hampanaovina dia ny :

2-Vavolombelona hanambara ny mazava .(and 8)

Marobe tokoa no mazoto irahina rehefa misy takalony, na vola na tamby na voninahitra azo , ary dia misy aza ny iraka, tsy izay nasaina nataony no hataony fa manao sy milaza izay tiany hambara izy. Fa ny vavolombelon’ny Tompo kosa dia tsy menatra manambara ny mazava dia Jesoa Kristy. Mahavariana fa tsy menatra ny olona miresaka politika, lamaody, fianarana sns, fa vitsy kosa no tsy menatra hanambara ilay mazava.Koa aza menatra hanambara ilay tena mazava amin`ny olona rehetra aza ianao.

Fanontaniana:

Menatra ve ianao sa tsia hanambara an’ì Kristy any ivelan`ny Fiangonana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !