MOFON’AINA ALATSINAINY 05 AOGOSITRA 2019

14 Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino. 15 Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana [mamoaka tsara]. 16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, 17 ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; [gangrene] isan’ireny Hymeneo sy Fileto, 18 izay nania tamin’ny marika ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mamadika ny finoan’ny sasany. 19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: « Ny Tompo mahalala ny azy, » ary koa: « Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy. » 20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka. 21 Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompon voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra. 22 Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.
2 TIMOTY 2 : 14-21

IREO ASA HANDRASAN’ANDRIAMANITRA AMINTSIKA

Nataon’i Paoly ho anisan’izay zavatra tena nikelezana aina mihitsy ny fanoroan-kevitra an’i Timoty ny amin’ny fomba mahomby hitondrany ny fiangonan’Andriamanitra. Eto amin’izao mofonaina izao dia toromarika telo natolony an’i Timoty arak’ireto manaraka ireto

  1. Mananatra mafy ny fiangonana hiray saina (and 14)

« Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany »

Asain’i Paoly mananatra ny kristianina ao amin’ny fiangonana Timoty mba tsy hiady teny izy ireo. Ny hoe miady teny dia miady hevitra amin’ny zavatra izay tsy mampandroso akory. Tsy mahasoa ny fiangonana, tsy mahasoa ny kristianina ny miady hevitra amin’izay zavatra tsy mampandroso amin’ny finoana, tsy mampandroso ny Asa fitoriana ny filazantsara. Adidin’izay mitondra fiangonana ny mananatra ny kristianina ao aminy tsy ho tra-izany. Ny fiombonana sy ny firaisana ihany no mampandroso. Manamafy izany Paoly raha niteny hoe: « mba ho saina iray sy vava iray no iarahanareo mankalaza an’Andriamanitra »( Rom 15 : 6)

  1. Manolo-tena hozahan-toetra (and 15)

« Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana »

Ny fanekena ny hozahan’Andriamanitra toetra dia tena fanekena ny fanefen’Andriamanitra ny tena. Eto raha manolo-tena hozahan-toetra Timoty dia manolo-tena hotefen’Andriamanitra izy izany. Ity fanefen’Andriamanitra ity dia tsy tokony hadinoina fa mahatsara izay mitondra ny fiangonan’Andriamanitra mandrakariva. Mahatsara azy satria rehefa voatefin’Andriamanitra amin’izay hitiavana azy ny olona iray dia azo antoka fa tena hahavokatra tsara sy hahavokatra be ho Azy. Tsy zavatra mora anefa ity fizahan-toetra ity, tsy zavatra mora kanefa tena mahasoa, koa izay manaiky izany no hisitraka izay tombontsoa aterak’izany.

  1. Mizara ny Filazantsara (and 15b)

« mizara tsara ny teny fahamarinana »

Ny teny fahamarinana dia tsy inona fa ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Anisan’izay maha-mpanompon’Andriamanitra, maha-mpitondra fiangonana ny fitoriana ny Filazantsara. Ny fanatanterahana tsara izany andraikitra sy asa izany no fototry ny maha-iraka solon’i Kristy. Izay voazaha toetra tsara, izay voatefin’ny Tompo tsara arak’izay itiavany azy no hahefa izany an-tsakany sy an-davany. Anisan’izay handrasan’ny Tompo amintsika kristianina izany koa handeha hanaiky tsara ho mpiara-miasa Aminy amin’izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.