MOFON’AINA ZOMA 02 AOGOSITRA 2019

1 Ary rehefa ren’i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany. 2 Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema ka hanimba ny asa. 3 Dia nivavaka tamin’Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’alina noho ny fahatahoranay azy. 4 Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay. 5 Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa. 6 Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena aty aminay, 7 dia nasiako olona teo amin’ny fitoerana ambany, teo ivelan’ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka. 8 Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo. 9 Ary nony ren’ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan’Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin’ny manda izahay rehetra, samy ho amin’ny asany avy indray. 10 Ary hatramin’izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman’ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon’ny fianakaviana rehetra amin’ny Joda. 11 Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin’ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray. 12 Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin’ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako.
NEHEMIA 4 : 1-12

NY FANATANTERAHANA NY ASAN’ANDRIAMANITRA

Nehemia dia tandapa tao amin’ny fanjakana Persianina. Anisan’ireo Jiosy tsy nody izy taorian’ny fahababoana. Rehefa nahare kosa anefa izy fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny asan’Andriamanitra tany Jerosalema dia nangataka tamin’ny mpanjaka Persianina izy hody hanarina ny tanàna sy ny tempolin’i Jerosalema. Rehefa nanatanteraka ny asa fanompoany izy dia

  1. Tsy voatery nahafaly ny hafa izany (and 1,2)

« Ary rehefa ren’i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany »

Tsy nahafaly ny fahavalon’ny Jiosy ny nahita sy nandre fa mandeha tsara ny asa fanarenana ny tanànan’i Jerosalema. Ambara eto amin’izao mofonaina izao fa mirehitra noho izany ny fahatezerany. Tsy voatery hahafaly ny hafa ny mandre fa mandeha tsara ny asan’Andriamanitra. Eto aza moa noho izany tsy fifaliana tao amin’izy ireo izany dia ambara fa « niray tetika izy rehetra handeha hamely an’i Jerosalema ka hanimba ny asa » and 2. Mila miomana tsara amin’izany izay rehetra manao ny asan’Andriamanitra.

  1. Tsy maintsy napetraka teo am-pelantanan’Andriamanitra (and 3)

« Dia nivavaka tamin’Andriamanitra izahay » 

Teo anatrehan’ity tetika ratsy nokasain’ny fahavalo ity dia lasa nivavaka tamin’Andriamanitra ry Nehemia. Nivavaka ka nametraka ny asa tamin’Andriamanitra. Tsaroana tokoa eto fa marina izay ambaran’ny mpanao Salamo hoe:« Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy »( Sal 127 : 1)Ho mora amin-dr’i Sanbala ny mandresy azy ireo raha mandeha amin’ny herin’ny tenany tokoa izy ireo.

  1. Mety mahakivy ny mpiasa (and 4,5)

« Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay »

Ambaran’ny Jiosy izay miasa eto fa mihena ny hery hoentin’izy ireo miasa, ny asa anefa mbola betsaka, ireo fahavalo koa tena mikasa hiditra mihitsy ka handrava ny ezaka efa vita. Eo anatrehan’izany dia tafapetraka tao amin’ny vahoaka niasa ny fahakiviana. Lojika izany eo anatrehan’ny habe sy hasarotry ny asa, indrindra eo anatrehan’ny fahavalo izay mikasa hanimba. Mba ahafahana mahatanteraka hatramin’ny farany ny asa fanompoana anefa dia tsy mahazo kivy na miraviravy tanana akory ny Jiosy.

  1. Ilàna fikirizana sy fifampaherezana (and 6-12)

Teo anatrehan’izany dia nijoro Nehemia ka nampahery ny Jiosy namany (and 8 ). Noentaniny avokoa ireo namany rehetra mba tsy hiraviravy tanana ary tsy ho kivy amboalohany ihany. Ireto farany koa rehefa nandre izany fampaherezan’i Nehemia izany dia asehon’ny tantara fa tena nikiry ka sady niasa izy ireo no nitan-defona (and 12). Ny zava-mahakivy hisy mandrakariva, ny fahasarotan’ny asa ho eo mandrakariva fa ny mpanompon’Andriamanitra tsy maintsy miasa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.