Mofon’aina – Zoma 02 desambra 2016

9 Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan’ ny fitiavanareo bebe kokoa amin’ ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,10 mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra [Na: samy hafa] , mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin’ ny andron’ i Kristy hianareo,11 sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ ny alalan’ i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’ Andriamanitra.
FILIPIANA 1 :9-11

TONOMBAVAKA HO AN’NY MPINO

Fony azom-pahasahiranana ny Apostoly Paoly dia tsy nanadino azy ny kristiana tany Filipy fa naneho fiombonampo taminy ka isaorany an’ Andriamanitra. Mivavaka koa izy mba hananan’ireo kristiana ireo toe-panahy mendrika (and11). Toy izao ny faniriany :

1-Mba hitombo fitiavana (and9)

Ny fitiavana no hahatanterahana ny zavatra rehetra , ka ny hitomboan’izany fitiavana izany bebe kokoa amin’ny fahaizana sy ny fahalalana rehetra no angatahiny eto .Ny hoe: mitombo dia manao mihoatra noho izay efa vita , mamantatra ny ho tsara kokoa, araka ny voasoratra hoe: « …tsy toy ny efa nahazo sahady aho , na efa tanteraka sahady .. » (Fil 3.12).

2-Ho madio sy tsy manan-tsiny (and10)

Ambaran’i Paoly eto fa mbola ho avy indray i Kristy ary amin’izay andro izay dia tiany ho olona madio ampo , izany hoe: olona masina , tsy feno fialonana , na fifampiandaniana , na fihatsarambelatsihy no hihaona amin’ny Tompo amin’ny fiaviany , araka ny tenin’i Jesoa hoe: « sambatra ny madio am-po fa izy no hahita an’ Andriamanitra » ( Mat 5.8)

3-Ho feno ny vokatry ny fahamarinana (and11)

Jesoa no fiainana : izay manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy dia tia manao ny marina eo amin’ny fiainany andavanandro . Izany no faniriany ho an’ny mpino. Ny fitondrantena toy izany no fanomezam-boninahitra sy fankalazana an’ Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !