MOFON’AINA ZOMA 03 JANOARY 2020

Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, ho ao amin’ny fanasana 2. Ary hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera teo am-pisotroan-divay tamin’ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany. 3. Dia namaly Estera, vadin’ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako; 4. fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahàny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e. 5. Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory? 6. Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadin’ny mpanjaka Hamana. 7. Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin’ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin’ny mpanjaka azy. 8. Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin’ny trano ho ao amin’ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin’ny farafara nandrian’i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin’ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan’ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’i Hamana 9. Ary Harbona, tsindranolahy* anankiray, izay teo anatrehan’ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin’ny tranon’i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon’i Hamana hanantonany an’i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin’io izy. [Hebreo: ionoka] 10. Ary Hamana dia nahantony tamin’ilay hazo efa natsangany hanantonana an’i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran’ny mpanjaka.
ESTERA 7 : 1-10

NY RATSY KASAINA MAHAZO TENA

Ny ratsy nokasain’i Hamana ho enti-mamely an’i Mordekay eto amin’izao mofonaina izao dia nahazo ny tenany. Izy indray no nahantona teo amin’ny hazo nikasany hanantonana an’i Mordekay ho fandringanana. Ilay nikasa handringana no naringana eto. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Mahereza mangataka sy miady varotra ho tombontsoan’ny mpiray tanindrazana (and 1-6)

Nanao fanasana Estera eto amin’izao mofonaina izao. Nasainy tao ny mpanjaka vadiny ary tonga teo koa Hamana. Rehefa nahazo divay misimisy ny mpanjaka dia nanontany izay zavatra tian’i Estera homeny azy. Teo anatrehan’izany no nangataka Estera mba tsy hamidy ka haringana izy sy ny mpiray tanindrazana taminy. Nohenoin’ny mpanjaka Estera ka nosakanany ny fikasan’i Hamana.

Anisan’ny zavatra iray mampalaza an’i Estera ny fitiavany ny mpiray tanindrazana taminy. Vehivavy tena nahery fo izy, nivavaka tsara ka tena nanao ho zava-dehibe ny fiarovana ny mpiray tanindrazana taminy. Ny fitiavany an’i Mordekay izay raiamandreny nitaiza azy no antony iray nahatonga izany. Azo atao tsara arak’izao ny mitia ny mpiray tanindrazana amin’ny tena. Ka raha misy zavatra atao dia heverina mandrakariva izay hahasoa azy ireo. Azo atao tsara ny miady varotra, indrindra amin’Andriamanitra mba hijery ny mpiray tanindrazana amin’ny tena. Hafantohy eo amin’izay hahasoa ny besinimaro mandrakariva ny ezaka rehetra atao. Aoka ny tombontsoan’ny mpiray tanindrazana hatrany no kendren’izay nomen’Andriamanitra fahefana manokana. Manaova toa an’i Estera, nampiasa ny fahefana maha-vadina mpanjaka ho enti-mangataka izay hahasoa ny besinimaro.

  1. Mifototra amin’ny mpanao ratsy ny ratsy kasainy (and 7-10)

Raha vao ny olon’Andriamanitra no hananana fikasana ratsy, raha vao ny vahoakany no kasaina asiana ratsy. Matetika dia mifototra amin’ny mpikasa ny ratsy kasainy. Izany no zavatra hitantsika eto, i Hamana mikasaka handringana an’i Mordekay indray ity no nahantona teo amin’ny hazo nikasany hanantonana an’i Mordekay. Miasa Andriamanitra ry havana, miasa miaro ny mpanompony sy ny vahoakany. Ary zavatra tsy takatry ny saina ny fomba fiasany. Toky ho antsika mamaky ny Soratra Masina, izay vahoakan’Andriamanitra izao mofonaina izao satria miara-miasa ny zavatra rehetra hikendrena izay mahasoa antsika. Ny fikasan’ny devoly handringana an’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana dia aza adinoina fa nifototra taminy. Novonoin’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ny hery sy fahefan’ny ota. Mitoera tsara amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika fa amin’ny alalan’ny fikasana rehetra na tsara na ratsy dia hain’Andriamanitra ny manasoa antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.