MOFON’AINA ZOMA 03 JOLAY 2020

8 Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona. 9 Dia mitsofa anjomaro avo feo amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito; dia amin’ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ny taninareo. 10 Ary hamasino ny taona fahadimampolo, ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ny taninareo avy hianareo sy any amin’ny mpianakavinareo avy. 11 Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’izay tsy namboarinareo; 12 fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo. 13 Amin’izany taona Jobily izany dia samy hody amin’ny taninareo avy ianareo.
LEVITIKOSY 25 : 8-13

NY TAON-JOBILY FAHA-DIMAPOLO

Ny bokin’ny Levitikosy araka ny fandinihan’ny mpandinika dia boky tsy dia be mpamaky loatra ao amin’ny Soratra Masina. Tsy dia be mpamaky izy amin’ireo boky 5 nosoratan’i Mosesy. Ao amin’ny bokin’ny Levitikosy ihany amin’ny Pentatioka no hahitantsika ny didim-pitiava-namana (Lev 19 :18). Miresaka manokana ny amin’ny fitsipika sy fandaminanana ny amin’ny fivavahana izy. Resahany be be kokoa fa ny olona nafahan’Andriamanitra tamin’ny geja sy fatorana samihafa dia tarihina amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Rehefa manompo an’Andriamanitra dia misy lamina harahina mba hahatongavana amin’ny fahamasinana. Zava-dehibe amin’ny Levitikosy arak’izany ny fanarahana fitsipika sy rindran-damina samihafa fa mahamasina eo anatrehan’Andriamanitra izany. Ny fanajana ny Jobily dia iray amin’ireo fandaminam-pirahamonina nomen’Andriamanitra, koa ny fanajana izany dia mahamasina eo anatrehan’Andriamanitra. Fa inona tokoa moa no atao hoe JOBILY ?

  1. Fotoam-pifaliana (and 8,9)

« Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona. 9 Dia mitsofa anjomaro avo feo amin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito; dia amin’ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ny taninareo »

Ny teny hoe Jobily dia avy amin’ny teny latina hoe « jubilaeus » izay midika hoe fifaliana sy firavoravoana. Io no nahazoana ny teny frantsay hoe « jubilé – jubiler ». Ny matoanteny hoe « jubiler = pousser des cris de joie, se réjouir vivement » dia azo adika ihany koa hoe fotoam-pifaliana lehibe. Fotoam-pifaliana ny jobily faha-50 noho izy fotoam-panafahana, fanafahana ny andevo, fanafahana ny trosa, fanafahana na famotsorana ny tany amin’ny endrika fanompoana samihafa. Fotoam-pifaliana izay tsy maintsy hankalazana an’Andriamanitra. Io fankalazana an’Andriamanitra io mantsy no tena manome fifaliana, io ihany no tena loharanom-pifaliana. Arak’izany mankalazà an’Andriamanitra noho Izy manafaka.

Noho ny jobily taom-pifaliana taom-pankalazana no mahatonga antsika miroso amin’ny fanatanterahana fety samihafa, indrindra eo amin’ny sehatry ny fiangonana. Ireny karazam-pety samihafa ireny anefa dia tsy azo sarahina amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Tsy misy tokoa mantsy fahafahana raha tsy noho ny amin’ny asan’Andriamanitra.

  1. Fotoam-pitsaharana ho an’ny zava-boahary « moment de recyclage » (and 10,11)

« Ary hamasino ny taona fahadimampolo, ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy… Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy hianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’izay tsy namboarinareo »

Fotoam-pitsaharana ho an’ny zavatra rehetra ny jobily. Fotoana tsy hanaovana asa eo amin’izao rehetra izao. Fotoana hakan’ny zavatra rehetra aina ka hanovozany hery indray. Fotoana hamerenan’ny zavatra rehetra ireo singa rehetra ilainy mba hahatsara ny vokatra takiana aminy. Taona iray izay hakan’ny tany aina ka hamerenany ao aminy ireo singa rehetra ilaina mba hahavokarana ny Jobily.

Fotoana ihany koa izay hitsaharana kely amin’ny fanompoana samihafa kanefa fotoana hiderana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Io fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny fankalazana azy io no fotoana hamerenan’Andriamanitra indray ny hery ao amin’ny olona, ao amin’ny zavatra rehetra nohariany.

Tena ilaintsika ity fanajana ny fotoana hitsaharana ity, tena ilaina izany na ho an’ny olona na ho an’ny zava-boahary. Ny tsy fanajana izany no mahatonga korontana eto amin’izao tontolo izao, indrindra eo amin’ny lafiny toetr’andro sy eo amin’ny lafiny toe-tany. Andriamanitra manafaka ny Tompo, manafaka izao rehetra izao amin’izao mety ho endriky ny fitrandrahana diso tafaohatra izao rehetra izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.