Mofon’aina – Zoma 03 martsa 2017

1 Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesoa dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsarambelatsihy.2 Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.3 Koa na inona na inona teneninareo ao amin’ ny maizina dia ho re eo amin’ ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin’ ny efi-trano dia hotorina eo amin’ ny tampon-trano.4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.6 Tsy eranambatry va no vidin’ ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’ Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia heken’ ny Zanak’ olona kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra;9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra.10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak’ olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin’ ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin’ izany ora izany izay mety holazainareo.
LIOKA 12 :1-12

NY MPINO MANDRAY FANANARANA AVY AMIN’NY TOMPO

I Jesoa Kristy no mananatra ny mpanara-dia Azy eto mba hanana toe-piainana mifanaraka aamin’ny maha-olon’ny fanjakan’Andriamanitra.

1-Matahotra an’ Andriamanitra

Mampitandrina ny mpianatra mba tsy hanahaka ny fiainan’ny Fariseo i Jesoa Kristy. Fariseo izay milaza ho mandeha amin’ny fahamasinana, mpivavaka marina kanefa mpihatsaravelatsihy. Izany hoe : maneho fiainana ivelany feno fahatsarana izy ireo kanefa ny toetra ao anatiny dia mbola rakotry ny aizina. Miaina amin’ny faharatsiana, tsy matahotra an’ Andriamanitra .Mitaona antsika araka izany ny Tompo, manana fiainana feno fahatahorana an’ Andriamanitra. Ialao ny fihatsarambelatsihy fa mitondra ho amin’ny fahaverezana izany.

2-Matoky ny fitondran’ Andriamanitra

Miaina amin’ny fihatsarambelatsihy ny olona matetika satria tsy te-ho ratsy amin’ny mpiara-belona aminy , matahotra ny ainy , ny ho aviny .Mampianatra ary eto ny Tompo , eny manome toky ny mpanara-dia Azy fa tsy tokony hatahotra olona ny mpino . Andriamanitra irery ihany no tokony hatahorana. Koa rehefa miaina araka ny sitrapon’ Andriamanitra ny olona dia azo antoka ny famonjen’ Andriamanitra , azo antoka ny fiarovan’ Andriamanitra . Fiainana azo antoka ny omeny ny olony.

Fanontaniana :

Nahoana no manahy ny amin’ny fiainany ny olona ?
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !