MOFON’AINA ZOMA 05 JONA 2020

16 Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. 17 Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. 18 Ary aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza. 19 Ireo teny ireo no nolazain’i Jehovah tamin’ny feo mahery tao amin’ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin’ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
DEOTERONOMIA 5 : 16-19

IREO DIDY MAMPIADANA

Ny bokin’ny Deoteronomia no boky ahitana fanazavana bebe kokoa momba ny didy nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. Araka ny fandinihan’ny mpahay Soratra Masina dia ahitana taratra asan’ny olona mpahay fiarahamonina ny boky. Amin’ny mpanoratra ny didin’Andriamanitra dia

  1. Mampiadana eto an-tany (and 16)

« mba ho maro andro hianao, ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao »

Nokendren’Andriamanitra ny hisian’ny fiadanana teo amin’ny Isiraely, ka tsy hoe tany tondra-dronono sy tantely ihany akory ny tany kanana izay nomen’Andriamanitra azy ireo fa tena ho tanim-piadanana, koa rehefa afaka tany Egypta izy ireo dia hiditra amin’ny fiadanan’ny Tompo. Rehefa arahina sy tanterahina ny didin’Andriamanitra arak’izao dia miantoka ny fiadanana eo amin’ny tany izay nomen’Andriamanitra ny zanak’Isiraely. Tsy vitan’ny hoe miadana fotsiny fa tena loharanom-pitahiana ho azy ireo mihitsy izany. Tsy mahafaty antoka arak’izany ny manaja ray sy reny. Vokatsoa azo tsapain-tanana no azo avy amin’izany. Raha tiantsika ny hanam-piadanana sy hotahiana eto amin’ity tany nomen’Andriamanitra antsika Malagasy ity dia handeha hotandremana tsara ny didiny rehetra.

  1. Manampy amin’ny fifehezan-tena (and 17-19)

Anisan’ny loharanon’ny korontana eo amin’ny fiarahamonina ny tsy fahaiza-mifehy tena. Tsy mahay mifehy tena izay mangalatra, mijangajanga, mitsiriritra, sns… Nomen’Andriamanitra arak’izany ny didy mba hifehezana ny tena tsy hanao izany. Raha vao miresaka didy anefa isika, dia izao no tokony hotsaroana mandrakariva: tsy afaka hahavita hankatoa izany isika raha tsy ao amin’i Jesoa izay nahatandrina tsara ny didy rehetra. Jesoa no afaka tena hanampy antsika amin’ny fanatanterahana izay takian’ny didin’Andriamanitra amintsika. Manome hery ho amin’izany rahateo Izy. Rehefa tena mitoetra ao amin’ny mino Jesoa dia Izy mihitsy no manampy ny mino hahatanteraka ny didin’Andriamanitra rehetra. Manana ny hery ho enti-manatanteraka izany rahateo Izy. Izany no nahatonga an’i Jesoa ho nanana fitondran-tena mendrika hatao modely teto amin’izao tontolo izao. Voafehiny tsara ny tenany, voafehiny tsara ny filàny rehetra, noho ny herin’Andriamanitra tao Aminy nanampy Azy hahatanteraka ny didin’Andriamanitra

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.