MOFON’AINA ZOMA 05 MARTSA 2021

20.Ary niaraka tamin’izay dia nitory teo amin’ny synagoga izy ka nilaza an’i Jesosy fa Zanak’Andriamanitra. 21 Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? Ary tonga aty koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin’ny mpisoronabe. 22 Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesoa no Kristy. 23 Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy; 24 nefa fantatr’i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman-alina hamonoany azy. 25 Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin’ny sobiky avy eo amin’ny mànda. 26 Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin’ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra. 27 Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dàlana ary ny fahasahiany nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy. 28 Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin’ireo tany Jerosalema, 29 sady nitory tamin’ny anaran’ny Tompo tamin’ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin’ny Helenista; fa ireo nitady hahafaty azy. 30 Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy. 31 Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’i Jodia sy Galilia ary ny Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ny Fanahy ka nihamaro.
ASAN’NY APOSTOLY 9 :20-31

NY FIZAHAN-TOETRA IREO NIOVA FO

Rehefa niova fo i Paoly ka lasa mpitory Filazantsara dia tratry ny fizahan-toetra izy. Tsy zavatra mora tamin’i Paoly ity fizahan-toetra voalohany nahazo azy ity. Nizaha toetra an’i Paoly ny :

1-Olona nitoriany ny Filazantsara (19-22)

Ireo kristianina nitorian’i Paoly ny Filazantsara voalohany no nizaha toetra azy voalohany. Tsy nampihemotra an’i Paoly tamin’ny fitoriana izany. Nasehon’i Paoly fa afaka mitory tokoa izay notoheriny izy. Asan’Andriamanitra no naha-mpitory Filazantsara azy. Tsy zavatra mora avy hatrany ny fiovam-po. Misy fotoana mafy izany, kanefa ampianarin’i Paoly isika fa fizahan-toetra  tsy maintsy hatrehina izany ho an’izay tena niova fo.

2-Olona mpiara-miasa (and 26-30)

Fizahan-toetra tena nahamay ny fidiran’i Paoly tamin’ny fiombonan’ny mpitory filazantsara tao Jerosalema. Mba hahatonga an’i Paoly hahazo fankatoavana; mba hahatonga an’i Paoly hoekena ho mpitory Filazantsara dia tsy maintsy nitady ny fomba niombonana sy nikambanana tamin’ireo Apostoly izy aloha. Ilainy dia ilainy tokoa ny fankatoavan’ny mpitory Filazantsara azy raha handeha hitory izy. Izy rahateo nanana lasa maloka noho ny fanenjehany ny finoana izay notoriany. Azo an-tsaina izay mety ho adim-panahiny sy adin-tsainy nanatrika ireo Kristiana voalohany tao Jerosalema. Tsy mampihemotra an’i Paoly anefa ny hamafin’izany fizahan-toetra nahazo azy izany. Ny Fanahy Masina rahateo dia nanampy azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.