MOFON’AINA ZOMA 13 DESAMBRA 2019

Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay. 7. Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay, 8. ary tsy nihinana foana izay hanin’olona, fa niasa andro aman’alina tamin’ny fikelezan’aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza; 9. tsy noho ny tsy anananay fahefana anefa, fa mba hatolotray aminareo ho fianaranareo ny tenanay. 10. Fa fony mbola teo aminareo ihany aza izahay, dia nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy. 11. Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona. 12. Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’i Jesoa Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany. 13. Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa. 14. Ary raha misy olona tsy manaiky ny teninay amin’ity epistily ity, mariho izany olona izany, ka aza mikambana aminy, mba hahamenatra azy. 15. Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy. 16. Ary ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo
2 TESALONIANA 3 :6-16

IZAY NANDIDIAN’I PAOLY NY FIANGONANA

Eo amin’ny and 6 amin’izao mofonaina izao dia mandidy ny fiangonana i Paoly amin’ny maha-raiamandreny azy. Zavatra efatra no misongadina eto amin’izany

  1. Tsy mikambana amin’ny olona tsy manaraka ny Soratra Masina (and 6)

«  Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ny rahalahy rehetra izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisiny taminay »

Ambaran’i Paoly fa olona tsy mitoetra tsara ireo, izany hoe tsy miorina tsara amin’ny finoana. Lojika ihany ilay tsy fiorenana tsara satria efa niala tamin’ny fampianaram-pinoana natolotry ry Paoly izy ireo. Ny fampianaran’i Paoly dia tsy tokony hohadinoina fa fampianarana miorina sy mifototra amin’ny Soratra Masina. Koa izay efa niala tamin’ny Soratra Masina arak’izao dia tsy tsara atao namana. Tsy tsara atao namana satria mitarika ny mino ho amin’ny fivilian-dalana sy ho amin’ny fampianaran-diso. Mandidy ny kristianina ao amin’ny fiangonana Paoly mba hahay hifidy tsara ny namana.

  1. Haka azy ho modely halain-tahaka (and 7)

«  Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay »

Nijoro ho modely halain-tahaka mandrakariva ny Apostoly ho an’ny fiangonana. Paoly manokana nisy fotoana dia tena niteny ny fiangonana haka tahaka azy. Izy izay ambarany rahateo fa naka tahaka an’i Jesoa. Eo anatrehan’ireo olona niala tamin’ny finoana noho izy tsy nandray ny soratra Masina dia nijoro tsara ho olon’ny finoana halain-tahaka izy. Adidiny amin’ny maha-Apostoly azy ny maneho ohatra tsara ho an’ny hafa. Adidintsika kristianina arak’izao ny mijoro ho modely ho an’ny hafa.

  1. Hiasa amin’ny fiadanana (and 12 )

«  Ary izay manao toy izany no didianay sy anarinay ao amin’i Jesoa Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany »

Anisan’izay maha-kristianina antsika ny asa. Olon’ny asa ny mino. Ny finoana tsy mampitoetoe-poana fa mandrisika hiasa sy handray andraikitra. Ilay asa mantsy no mahatonga fiadanana. Mampilamina kokoa ny fiainana ny miasa. Mampilamin-tsaina noho ny tena afaka mivelona araka ny tokony ho izy. Rehefa miasa koa ny mino dia hita eo aminy ny maha – zanak’Andriamanitra azy. Andriamanitra rahateo hoy Jesoa mbola miasa, toa an’i Jesoa miasa mandrakariva. Tsy ozona ny asa araka izay hiheveran’ny hafa azy fa tena fanehoana ny maha-kristianina.

  1. Hananatra ny hafa (and 15)

«  Anefa aza dia atao fahavalo izy, fa anaro toy ny rahalahy »

Tsy avelan’i Paoly tazanina fotsiny ireo olona tsy mitoetra tsara fa asainy hanarina. Izany hoe hahitsy amin’izay hevi-disony ka omena toromarika mahasoa hitondrany ny fiainany. Amin’ny maha-kristianina dia tsy mahazo mikambana amin’ny olona tsy miorina tsara ny mino kanefa antsoina hananatra azy ireny ho famonjena azy ireny, ary ho fialana nenina mihitsy aza. Adidintsika kristianina ny mananatra ny hafa toa izay nataon’i Jesoa sy ny Apostoliny.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.