MOFON’AINA ZOMA 06 DESAMBRA 2019

14 Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? 15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan-andro, 16 ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany? 17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. 18 Fa angamba hisy hanao hoe: ianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin’ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako. 19 Ianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany, ny demonia koa mino izany ka dia mangovitra. 20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
JAKOBA 2 : 14-20

MIFAMATOTRA NY FINOANA SY NY ASA

Jakoba no anisan’ireo Apostolin’i Jesoa Kristy nampianatra ny fiangonana ny fifandraisan’ny asa sy ny finoana. Mifamatotra aminy ny asa sy ny finoana. Araka ny fampianaran’ireo raiamandranintsika Protestanta dia ny finoana no miteraka asa fa tsy ny asa no mahatonga finoana. Ny finoana tsara mantsy no mahatonga asa tsara, ny finoana tsy araka ny tokony ho izy koa arak’izany mahatonga asa tsy ho araka ny tokony ho izy. Tsy misy asa azo antenaina arak’izao raha tsy misy finoana. Ny finoana no mandeha alohan’ny asa.

Fa inona tokoa moa no fifandraisan’ny finoana sy ny asa ?

  1. Ny tena finoana miseho amin’ny asa (and 14-16)

« Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? »

Raha ny marina dia zavatra any anaty ny finoana. Tsy hita maso izany. Tsy hita maso ny finoana kanefa azo aseho ho hita maso amin’ny alalan’ny asa. Ny asa arak’izao no endrika ety ivelany hita maso maneho ny finoana ao anaty. Ny finoana tsara an’i Jesoa Kristy dia mahatonga tsara maneho ny voninahiny. Eto amin’izao mofonaina izao dia te hampianatra Jakoba, fa ny olona manam-pinoana, dia tsy faly mirary soa sy manonona ny fiadanana ho an’izay ao anaty fahasahiranana, fa maneho ny finoany ho hita maso ka mitady ny fomba ho enti-manampy ny hafa sahirana. Ilay hoe omena izay tandrify ho an’ny tenany eo amin’ny and 16 dia tena fampianarana fa adidin’izay manam-pinoana ny mikaroka izay ahafahana manampy ireo sahirana.

Mino no iantsoana antsika Kristianina, arak’izao dia aoka samy haneho ny finoantsika amin’ny alalan’ny asa isika. Aoka samy iezaka hanampy ny manodidina antsika izay ao anatin’ny fahasahiranana isika, aoka tsy ho faly hanonona fiadanana sy firarian-tsoa fotsiny, aoka tena haneho ny finoana amin’ny alalan’ny asa azo tsapain-tanana.

  1. Mamelona ny finoana ny asa (and 17-20)

« tsy vanona ny finoana tsy misy asa »

Maty ny finoana raha tsy misy asa anehoana azy. Mamelombelona ny finoana arak’izao ny miasa. Raha ohatra misy kristianina tsy mba miasa dia azo heverina fa ho faty tsy ho ela ny finoany. Ny asa no mihazona ny finoana amin’ny fahavelomana tsara. Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia nijoro ho modely tsara alain-tahaka amin’ny asa. Io asa io rahateo no tena nampalaza Azy. Tsy dia nanam-potoana nipetrapetrahana mihitsy aza ny Tompo fa tena niasa tokoa. Ny finoana marina an’i Jesoa arak’izao dia mahatonga asa, mahatonga andraikitra. Mandainga izay milaza ny tenany fa mino an’i Jesoa kanefa tsy mba manana asa na andraikitra tanterahina akory. Ambaran’ny and 19 fa mba manana finoana koa ny demonia, finoana izay mahatonga azy hangovitra anefa izany, izany hoe finoana hafahafa ka tsy mba ahafahany miasa ho an’Andriamanitra. Ny finoana marina hoy isika dia mahatonga antsika ho mpiasan’Andriamanitra.

Aoka samy iezaka hanao tsara izay asa sy andraikitra tandrify azy ny rehetra fa maneho ny finoana an’i Jesoa izany. Aoka samy mba hanao tsara izay tandrify azy ny rehetra fa mihazona ny finoana an’i Jesoa ho velona mandrakariva izany. Mandraisa andraikitra mandrakariva arak’izao, indrindra ao amin’ny fiangonana fa izany no mamelona ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.