MOFON’AINA ZOMA 06 MARTSA 2020

Ary amin’izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho; 20 fa nambarako voalohany tamin’izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin’ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ny jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ka hanao asa mendrika ny fibebahana. 21 Ary izany no nisamboran’ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy. 22 Ary noho ny fitahian’Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka andro-any aho ka manambara na amin’ny kely na amin’ny lehibe ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, 23 fa Kristy tsy maintsy nijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ny maty ka hitory fahazavana amin’ny olona Isiraely sy amin’ny jentilisa.
ASAN’NY APOSTOLY 26 : 19-23

NY FANOMPOAN’I PAOLY APOSTOLY

Iray amin’izay asa fanompoana notanterahin’i Paoly Apostoly no resahiny amin’ny Agripa Mpanjaka eto. Fanompoana izay ambarany eo amin’ny and 21 fa antony nisamborana azy. Asa fanompoana maneho fa tsy mora ny miasa ho an’Andriamanitra. Tsy zavatra mora ny manatanteraka ny baikon’i Jesoa hitory ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Na dia sarotra tamin’i Paoly aza anefa izany fitoriana ny filazantsara izany dia tsy mba nihemotra tamin’izany mihitsy izy. Nandroso mandrakariva, ary dia tena nahavita be tamin’izany izy. Nahatety toerana maro mihoatra ireo Apostoly namany izy, fa nahataona olona maro ho an’i Kristy koa anefa. Arak’izany ny asa fanompoan’i Paoly Apostoly dia

  1. Manambara izay naseho taminy (and 19,20)

« Ary amin’izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho; 20 fa nambarako »

Jesoa izay niseho taminy tamin’ny lalana ho any Damaskosy no fahitana ambaran’i Paoly fa hitany ka tsy nolaviny ary nambarany. Izany fanambarana izany koa anefa dia mifototra amin’ny hazo fijaliana (and 23). Raha vao miresaka hazo fijalian’i Kristy isika dia zavatra telo no ao ambadik’izany : nijaly Kristy – maty teo amin’ny hazo fijaliana Izy – nitsangana tamin’ny maty ho famonjena antsika. Ny fanompoana an’Andriamanitra arak’izao dia tena fijoroana vavolombelona ny amin’ny asa navelan’Andriamanitra ho hitantsika. Adidin’izay nanehoan’Andriamanitra zava-mahagaga arak’izao no manambara izany amin’ny hafa mba hahatonga azy ireo koa amin’ny finoana. Tsy mahazo mangina fa tsy maintsy manambara izay navelan’Andriamanitra hahita an’i Jesoa sy ny asany. Io fanambarana an’i Jesoa sy ny asany io mantsy no mahatonga finoana, ary anisan’izay nampahomby sy nampandroso ny fiangonana voalohany tamin’ny taonjato voalohany izany. Aza azonina ho an’ny tena samirery ny zava-mahagaga asehon’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’i Jesoa arak’izany.

  1. Mamerina ny olona amin’Andriamanitra (and 20)

Mazava ny tanjon’i Paoly raha manambara an’i Jesoa izy : « mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra». Ny olona rehetra tany Damaskosy, Jerosalema, Jodia sy ny tany jentilisa arak’izao no nandehan’i Paoly nitory ny filazantsara mba hahatongavan’izay rehetra tany amin’ny fibebahana. Ny asa fanompoana ny Tompo arak’izao dia tena mikendry ny fiverenan’ny maro aminny Tompo. Izay fiverenana izay dia mila hita amin’ny fahaiza-mitondratena tsara, fahaiza-mitondra tena mifanaraka amin’ny fibebahana marina. Ny fiverenana amin’ny Tompo noho ny asa fanompoana natao arak’izany dia mitondra ho amin’ny fahatsaram-pitondrantena mandrakariva. Rehefa Jesoa no toriana sy ambara dia manova olona mandrakariva izany. Aoka ho zava-mahamaika ny fiangonana arak’izao ny famerenana ny olona amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana, ny fanambarana an’i Jesoa ihany no afaka miantoka ny fahatanterahan’izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.