Mofon’aina – ZOMA 06 OKTOBRA 2017

29 Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.30 Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.31 Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra.32 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.33 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.35 Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ ny tany rehetra izany.36 Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.
LIOKA 21 :29-36

« FA MIAMBENA  KA MIVAVAHA MANDRAKARIVA  MBA HAHERY IANAREO  … » (and 36)

Nanamarika ny mpandinika iray taty  Afrika  fa ny taona  arivo voalohany  isika  dia nanorina fiangonana , ny taona arivo faharoa , nampiely  ny Filazantsara  ary amin’izao   taona arivo fahatelo izao  dia miatrika  fanamby  hahaizana  mamantatra  ny zavatra ho avy  sy fijerena lavitra . Tari-dàlana  no omen’ny  Tompo  antsika hiatrehantsika  izany.

1-Asainy  miambina isika 

Faharetana  manao  ny fanompoana nomen’ny  Tompo  no fonon-kevitry  ny teny  hoe: « miambina ». Tsy miala  eo  amin’izay  nanaovam-panekena  teo  anatrehany  . Ohatra : fanekena maha-Mpandray  ny Fanasan’ny  Tompo, aoka mba hiverenana hatrany  hananana firaisana marina  amin’i Jesoa Kristy  sady hahatsapana fa miara-mandeha Aminy tokoa ho fijoroana vavolombelona fa nomeny  fanahy mahery. Mahereza mamaky Baiboly  isanandro  hihainoantsika  Azy.

2-Asainy mivavaka mandrakariva

Tànana mandray ny tànan’ny  Tompo ny vavaka, satria tsy resaka  hatao Aminy  fotsiny izany  fa tena  fanomezana  valiteny  Aminy  noho ny teny  nolazainy  tamintsika tao amin’ny Soratra masina novakiantsika . Miandry   antsika  mandrakariva  hanatanteraka  ireo hafatra nomeny  Izy ary manoro  antsika hatrany  ny làlana  tokony  hizorantsika koa .Jesoa Kristy , feno  fitiavana no niantso   sy nifidy   antsika   ary  manendry antsika  mba handeha  hanohy ny asany  ety  amin’izao tontolo izao  . Mikeleza  aina àry  amin’ny vavaka  mba ho vonona  sy hahery  miatrika ny ho avy .

Fanontaniana:

Mahatsiaro  ny hery  omen’ny Tompo ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !