Mofon’aina – ZOMA 07 APRILY 2017

14 Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin’ Andriamanitra? Sanatria izany!15 Fa hoy Izy tamin’ i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo(Eks.33 :19).16 Koa dia tsy avy amin’ izay maniry na amin’ izay mihazakazaka izany, fa avy amin’ Andriamanitra Izay miantra.17 Fa hoy ny Soratra Masina tamin’ i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin’ ny tany rehetra.18 Koa izay tiany hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
ROMANA 9 :14-18

NY FAHEFAN’ ANDRIAMANITRA

« Izaho  hiantra  izay hiantrako, ary hamindra fo  amin’izay hamindrako fo » (Eks 33.19)

1-Mifidy  sy mitsara  ny olona Andriamanitra

Milaza  Andriamanitra  fa handringana  ny Israely   mafy hatoka (Eks 33.3). Izy  no nifidy   ny Zanak’Israely  ho olony. Izy  no   mifidy an’i Farao  ho mpanjakan’ny Egyptiana. Malalaka  amin’ny safidiny  Andriamanitra. Izy  no mametraka  azy amin’ny andraikiny ho fanatrarana ny zava-kendreny, ho fampisehoana ny voninahiny (Eks 9.16). Malaza  amin’ny heriny  i Farao  tamin’ny fandreseny  ny firenena  sy tamin’ny fandreseny ny firenena sy tamin’ny fanandevozana  ny  Zanak’ Israely. Fahefana voafetra  ny fahefan’olombelona sady nindramina. Andriamanitra irery no Tompon’ny fahefana rehetra sy ny fanapahana rehetra.

2-Mamindra fo Andriamanitra

Mahafantatra izay tiany hamindrana fo  Andriamanitra. Malalaka  sy manana ny  fahefana amin’izay tiany hatao izy. Tsy maka tolo-tsaina sy tolo-kevitra amin’ny olona  ny Tompo. Fantany  ny olona hamindrana fo  sy hiantrana, fantany ihany koa  ny olona aringana. Nofidin’ Andriamanitra  ho azy i Israely araka  ny famindrampony. Ny tsy mino  sy manohitra ny sitrapony ka tsy mety anarina, dia aringana amin’ny farany. Maha-Andriamanitra an’ Andriamanitra ny famindrampo, izay manambara fitiavana sy fahasoavana.

Fanontaniana:

Inona no antony  nanomezan ‘Andriamanitra  io andraikitra  na fanompoana ataonao io ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !