MOFON’AINA ZOMA 07 DESAMBRA 2018

21 Ary tamin’ izany ora izany dia ravoravo tamin’ ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao.22 Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.23 Ary nitodika tamin’ ny mpianany Izy, dia nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo.24 Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry nahare izay renareo, fa tsy nahare.
LIOKA 10 : 21-24

NY FIFALIAN’NY MANOMPO AN’ANDRIAMANITRA

 Niverina tamin’ny fifaliana ireo fitopolo lahy nanao ny tatitra tamin’i Jesoa, satria nahatsiaro ho nahita fahombiazana tamin’ny iraka nampanaovina azy.

Ravoravo ao amin’ny Fanahy Masina, ka

1- Midera an’Andriamanitra (and.21)

Taorian’ny nahazoana ny vokatra tsara nentin’ireo mpanao tafika masina fito-polo lahy ity faharavoravoan’i Jesoa ity. Fifalian’ny lanitra tokoa ny fahombiazan’ny fambaboana fon’olona ho ao aminy. Ankoatra izany, dia feno fiderana an’Andriamanitra i Jesoa Kristy amin’ny maha- :

– Andriamanitra Mpahary. Tompon’izao rehetra izao,

– Andriamanitra manana ny hiheverany manokana sy hitondrany ny olony (Isa 55 :8)

– Andriamanitra mahatanteraka ny sitrapony Izy.

Ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra eo amintsika dia tena tokony hiderantsika Azy amin’ny fontsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra.

2- Sambatra (and. 22 -24)

Hita taratra teo amin’i Jesoa ny fahasambarana aloha, satria nomen’ny Ray Azy avokoa nv zavatra rehetra. Misy fifamatorana lalina sy lehibe eo amin’ny Ray sy ny Zanaka. Mitana ny tsiambaratelon’ny Ray sy ny lanitra i Jesoa Kristy. Izany fahasambarana lehibe ao amin’i Jesoa izany no zarainy ihany koa amin’ny mpanaradia Azy, dia nilazany taminy manokana hoe : « Sambatra » (and.23). Fahasambarana mihoatra noho izay efa nandray hosotra tamin’ny Tompo toy ny mpaminany sy mpanjaka izany, koa tsy tokony hatao ambanin-javatra akory.

Fanontaniana:
Ny midera an’Andriamanitra no maha sambatra sa ny sambatra no midera an’Andrianianitra?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !