MOFON’AINA ZOMA 07 DESAMBRA 2018

14 Fa izay tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’ Andriamanitra.15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.
ROMANA 8 : 14-17

NY FANAHY MASINA

1- Mitahiry antsika

« Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’ Andriamanitra » (Rom 8 : 14). Monina ao anatin’ny zanak’ Andriamanitra ny Fanahy Masina ka mitarika azy mba hisaina sy hiteny ary hanao asa araka izay voalazan’Andriamanitra. Mitarika antsika ny Fanahy Masina ka mitaona antsika hanao izay mifandraika amin’ny Soratra Masina. Manoro antsika ny lalana tokony hizorana. Manoro amin’izay mifanohitra amin’ny fanirian-dratsy. Mampahafantatra ny heloka noho ny ota sy ny fitsipika araka an’i Kristy. Mampirisika ny mpino mba aharitra amin’ny finoana sady mananatra manoloana nv fialàna amin’ny finoana an’i Kristy. Mampahery ireo mpino miha-malemv. Milaza fa fahafatesana ara-panahy no vokatry ny fandavana. Aza rnaika hanapa-kevtra fa meteza hotarihan’ ny Fanahy Masina

2- Manome antoka fa Zanak’Andriamanitra isika

Ny Fanahy Masina, dia manome antoka antsika fa zanak’Andriamanitra isika ankehitriny amin’ny alalan’I Jesoa Kristy sy ny fiarahana amin’i Kristy. Notanterahiny ilay fahamarinana hoe : « Efa tia antsika i Kristy, sady mbola tia antsika hatrany ary velona ho antsika any an-danitra sady mpanelanelana » (Heb. 7 : 25). Asehon’ny Fanahy antsika fa tia antsika toy ny zanaka natsangana ny Ray (Jao. 14 : 21). Aorin’ Andriamanitra ao anatintsika ao ny fitiavana sy fitokisana izay ahafantsika miantso Azy hoe : «  Aba Ray » (And. 15) Ny zanaka dia manankina ny ho aviny amin’ny rainy. Toy izany koa isika araka ny toky nomeny hoe: « Ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia adidiko ihany » (Isa 45 :11).

Fanontaniana :

Zava-dehibe ny fitarihin’ny Fanahy Masina.Nahoana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !