MOFON’AINA ZOMA 07 JANOARY 2022

6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. 7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
APOKALYPSY 21 :6-8

NY TOMPO NO FIANDOHANA SY FIAFARANA

Ny Soratra Masina dia manambara fa ho levona avokoa izao tontolo izao ary havaozin’Andriamanitra ny zavatra rehetra .Andriamanitra kosa no tsy miova .

1-Ireo izay tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra

Isan’izany ny « osa », ireo kanosa ka tsy sahy manohitra an’isatana sy ny heriny ka mandà ny Anaran’i Jesoa kristy Tompo, dia ny tsy mpino . Izany dia entina ilazana ireo izay manohitra an’i Kristy, ny vetaveta, dia ireo izay manaraka ny fanompoantsampy, ny mpamono olona ,ny mpijangajanga, ny mpangalatra, ny mpandainga .Ireny karazam-pahotana ireny no manimba ny fo amam-panahin’ny olona ka mitondra azy amin’ny fahaverezana mandrakizay .Ny fanavaozan’Andriamanitra dia manomboka teo, amin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Izany no fiandohan’ny lanitra vaovao sy tany vaovao.

2-Ireo izay handova ny fanjakan’Andriamanitra

« Izay maharesy no handova izany zavatra izany ; ary ho Andriamaniny Aho ary izy ho Zanako » (and 7). Ny fandresena dia tsy avy amin’ny ezaka nataon’ny olona , fa fahasoavana avy amin’izay nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy araka ny voasoratra hoe: « Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta » (and 6) .Izany dia entina manamafy fa mamaimpoana ny fahasoavan’Andriamanitra . Koa tsy misy afaka hihambo ho mpandresy ny faharatsiana rehetra raha tsy izay efa nandray an’i Jesoa ho Tompony sy Mpamonjy azy teo amin’ny fiainany, dia ireo izay manaiky ny fanavaozan’Andriamanitra. Ireo no zanany, ka ho mpandova ny fanjakan’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.