Mofon’aina – ZOMA 07 JOLAY 2017

17 Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ ny namany rehetra (izay antokon’ ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,18 dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-trano-maizina.19 Fa nisy anjelin’ ny Tompo namoha ny varavaran’ ny trano-maizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:20 Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin’ ny vahoaka eo an-kianjan’ ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.21 Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin’ ny Zanak’ isiraely izy ka naniraka nankao amin’ ny trano-maizina haka ny Apostoly.22 Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-trano-maizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:23 Ny trano-maizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.24 Ary ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan’ ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin’ izay ho faran’ izany.25 Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-trano-maizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan’ ny tempoly ka mampianatra ny olona.26 Dia lasa ny lehiben’ ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.27 Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan’ ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy28 ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy hianareo tsy hampianatra amin’ izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’ izany Lehilahy izany.29 Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.30 Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’ i Jesoa, Izay novonoin’ ny tananareo nahantonareo teo amin’ ny hazo.31 Izy nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ ny Isiraely.32 Ary izahay dia vavolombelon’ izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen’ Andriamanitra ny manaiky Azy.
ASAN’NY APOSTOLY 5 :17-32

MIARA-DÀLANA  AMIN’NY VAVOLOMBELONY NY TOMPO

Matetika dia ny fanenjehana  na ny tahotra  sy ny fandrahonana  no  mahatonga   ny  maro  tsy ho sahy   hijoro  ho vavolombelona. Hitantsika eto fa nisy  tamin’ireo  Apostoly no naiditra am-ponja. Tokony    hiomana ho  amin’ny zava-tsarotra   toy izany   izay rehetra manaiky  ho iraky  ny  Tompo. Amin’izany dia matokia  fa tsy hamela  antsika  ho irery  ny  Tompo :

1-Manafaka amin’ny fatorana  izy (and 19)

Niditra  an-tsehatra  mivantana  ny  Tompo  tamin’ny alalan’ny anjeliny ka namoha ny varavaran’ny fonja ary namoaka ny Apostoly (and19). Tsarovy fa tsy faly  amin’ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny  Tompo ny devoly  ka manao  izay fomba  rehetra hanakanana antsika  mba  tsy hitory  sy hanambara  amin’ny olona  ny momba an’i Jesoa . Mety hampiasa fahefana izy amin’izany hamoretana  antsika nefa amin’izany rehetra izany dia manoatra  noho ny mpandresy isika  amin’ny alalan’ilay tia antsika, dia i Jesoa Kristy .Amin’ny fotoan-tsarotra indrindra no hanehoan’ny Tompo  ny Voninahiny . Koa aza menatra  ny  ho vavolombelon’ny  Tompontsika.

2-Mampahery Izy (and 20,29)

Tsy  mora akory  ny zava-nihatra  tamin’ny Apostoly  manoloana  ny fandrarana  sy ny fandrahonana ary ny fanagadrana  sy ny fiampangana azy. Ny mahagaga dia izao : toa arakaraka ny andrarana  azy no  vao mainka mitombo  ny hery sy ny fahasahiana ao anatiny. Izany  no tsapa  rehefa  miaraka amin’ny Tompo : sahy  miteny, tsy matahotra  fandrahonana . Fa hoy i Jesoa : « … indro  Izaho  momba anareo mandrakariva… » (Mat 28 :20b).

Fanontaniana:

Inona no olana efa  mba nosedrainao tamin’ny fanarahanao ny Tompo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !