Mofon’aina – ZOMA 08 DESAMBRA 2017

1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’ izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana;3 teo amin’ ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ ny filan’ ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ ny famindrampo, noho ny halehiben’ ny fitiavany izay nitiavany antsika,5 na dia fony mbola matin’ ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’ i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’ i Kristy Jesoa,7 mba hasehony amin’ ny andro ho avy ny haben’ ny haren’ ny fahasoavany amin’ ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’ i Kristy Jesoa.8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra;9 tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha.10 Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo Aminy.
EFESIANA 2 :1-10

MANEHO  FITIAVANA  ANTSIKA NY  TOMPO

Endrika maro   no hanehoany  izany  . Ireto  no santionany  ho antsika anio :

1-Famelomana aina :

« Ary  ianareo  dia efa novelominy  fony  mbola matin’ny fahadisoanareo  sy ny fahotanareo » (Efes 2 :1). Fahafatesana  no tambin’ny ota. Izay  miaina   amin’ny rehaka izao  fiainana izao  dia efa  mizotra  amin’ny fahaverezana. Soa  fa teo  i Jesoa , mamelona  antsika  indray tamin’ny nanolorany ny tenany.

2-Famindrampo  sy fitiavana :

« Fa  Andriamanitra  izay manankarena  amin’ny famindrampo , noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika  » (Efes 2 :4) . Rehefa  eo  ny fitiavana  dia manaraka ho azy  ny famindrampo , tsy  sarotra  ny mamela  heloka ny olo-tiana . Zava-dehibe ho an’ny mpino  io famindrampon’ Andriamanitra  io.

3-Fananganana sy fanarenana:

« Ary  niara-natsangany isika… » (Efes 2 :6). Na  teo  aza  ny  fandehanana  araka   ny  fomban’izao  tontolo  izao  sy ny hetraketraky  ny  devoly izay  mpanapaka ny fanjakany eny  amin’ny rivotra , dia eo  indrindra ny  Tompo  manangana  sy manarina . Ka izay  atsangana  sy arenina dia takiana  hiala  amin’ny toerana nahalavo  azy  ary handroso amin’ny làlam-baovao  araka ny fitarihan’ny Tompo.

Fanontaniana:

Ny fitiavana  no paikady  mahomby  ho fananganana sy fanarenanana  mihoatra  noho  ny famaizana  sy ny latsalatsa. Nahoana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !