Mofon’aina – Zoma 08 janoary 2016

1 Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ ny tananay, dia ny amin’ ny Teny Fiainana2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ ny Ray ka efa naseho taminay), -3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika [Na: fifalianareo] .
1 JAONA 1 :1-4

ANDRIAMANITRA TONGA OLONA NY TOMPO

Andriamanitra miafina ny Andriamanintsika (Isaia 45.15)

Mahagaga fa miafina Izy nefa mampahafantatra ny tenany amin’izay nofidiny, ka mifandray amin’ny olona. Izay ifandraisany ka mahalala Azy no tonga mijoro ho vavolombelona, tahaka ny Apostoly Jaona. Ahariharin’ny Apostoly Jaona fa Andriamanitra tonga olona ny Tompo.

Velona Izy ka miteny

Voalaza eo amin’ny and 1 ny hoe : « izay hatramin’ny voalohany dia efa renay … ». Milaza izay reny ny Apostoly raha mijoro ho vavolombelona . Tiany hohamafisina amin’izany fa Andriamanitra miteny ny Andriamanintsika. Ny filazana fa miteny Andriamanitra dia mifono hevitra hoe : VELONA IZY. Velona ny Tompontsika ka miteny, ary mbola miteny amintsika mandraka ankehitriny Izy , fa izay manentsi-tadiny ihany no tsy mandre Azy .
Miteny Izy hampiombona ny mpino
Manome foto-kevitra mazava tsara ny and 3-4 momba ny fiombonan’ny mpino . Ny fiombonan’ny mpino dia miorina amin’ny fanambarana an’Ilay Teny fiainana. Raha tsy noho io Teny io dia foana ny fiombonana. « Izay efa hitanay sy renay no ambarany aminareo , mba hahazoanareo firaisana aminay koa . »Fa sady enti-milaza ny teny toriana na ny toriteny izany no ilazana an’i Jesoa Ilay Teny fiainana. Tonga mihavao isanandro ny fiombonantsika mpino, noho ny asan’ny Fanahy masina , rehefa mihaino ny Tenin’ Andriamanitra isika . Miteny mba hampiombona antsika ny Tompo.

Fanontaniana :

Moa fiombonana ara-panahy ihany ve no entin’ny Tenin’ Andriamanitra sy raisina ao amin’i Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !