MOFON’AINA ZOMA 08 NOVAMBRA 2019

35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. 36 Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. 37 Fa « rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra. » 38 Ary « ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; » fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2. 3,4). 39 Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.
HEBREO 10 : 35-39

NAMAN’IZAY MANDROSO SY MINO ISIKA

Ny and 39 amin’izao mofonaina izao dia mampahafantatra antsika ny maha-izy azy ny kristianina araka ny fampianaran’ny Mpanoratra ny bokin’ny Hebreo. Ny hoe Hebreo aloha dia tsara ihany no mitondra fanazavana toa izao. Tsy iza izy ireo fa ireo Jiosy izay rehefa notoriana ny Filazantsara dia resy lahatra ka niova ho Kristianina. Ny Hebreo arak’izany dia ireo Jiosy nandray ny finoana Kristianina. Maneho indrindra izany fa tsy ny Jiosy rehetra no tsy nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy, nisy ihany ireo nahatsiaro ny asan’ny Fanahy Masina ka tonga tamin’ny finoana marina. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Kristianina mandroso mandrakariva isika

« Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana »

Mazava tsara fa misy karazan’olona roa eto amin’izao tontolo izao. Ary samy manana mpanaraka izy ireo. Etsy an-kilany dia eo ireo izay mihemotra sy ny namany, etsy an-daniny kosa dia ireo izay mandroso sy ny namany. Ambaran’ny mpanoratra eto fa amin’ny maha-kristianina antsika dia naman’izay mandroso mandrakariva isika. Nahoana tokoa moa no misy ny mihemotra? Misy ny fihemorana satria misy fanoherana ny finoana kristianina, manam-pahavalo mantsy ny finoana. Koa noho ny hasarotry ny fanoherana, noho ny hamafinin’ny fanoherana dia misy ireo izay niala tamin’ny finoana, niala tamin’ny fivavahana. Ireo olona ireo no antsoin’ny mpanoratra eto hoe mihemotra. Tsy mba naman’ireny ny tena Kristianina marina. Tsy miala amin’i Jesoa sy ny finoana Azy mantsy ny tena Kristianina marina. Ny fanoherana hisy mandrakariva, ny fanoherana dia ho mafy mandrakariva, fa ny tena Kristianina dia tsy miala amin’Andriamanitra na oviana na oviana. Nahoana tokoa moa isika no tsy miala amin’ny Tompo? Satria raha miala amin’ny Tompo isika dia hahavery ny fanahintsika izany. Efa ambara mazava eto mantsy ny hiafaran’izay miala amin’ny finoana. Koa noho ny tahotry ny fahaverezana dia tsy miala amin’ny Tompo ny mino.

  1. Kristianina mino isika

« fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy »

Ambaran’ny Soratra Masina mazava eto tsara ny misy antsika kristianina. Naman’izay mino isika. Izany hoe naman’izay nandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy. Naman’izay manaiky an’i Jesoa ho Ilay irak’Andriamanitra tonga teto amin’izao tontolo izao nitondra ny famonjena. Rehefa dinihina tsara mantsy ny tantaran’ny famonjena, na dia efa niseho nivantana tamin’ny alalan’i Jesoa aza Andriamanitra, na dia naneho asa mahagaga maro aza Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa, dia mbola maro koa ireo olona niara-belona tamin’i Jesoa no tsy nino Azy ho Mesia. Isika noho ny asa mahagaga vakiantsika fa notanterahin’i Jesoa, noho ny asan’ny Fanahy Masina izay mandresy lahatra antsika dia mino isika fa Jesoa no Mpamonjy izao tontolo izao. Ary izay finoantsika izay no antoka hidirantsika amin’ny famonjen’ny Tompontsika. Arak’izany dia lazao ahy tokoa ny namanao mba ilazako aminao ny maha-izy azy anao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.