Mofon’aina – ZOMA 08 SEPTAMBRA 2017

1 Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko.2 Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; Fa izay mivadika foana no ho menatra.4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.5 Tariho amin’ ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Ianao no andrasako mandritra ny andro.6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.7 Aza ny fahotan’ ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô…
SALAMO 25 :1-7

HIJORO  TSY AMIN-KENATRA IANAO!

1-Tsarovy  ny teny nataon’ny Tompo  taminao 

« Andriamanitra  ô, Ianao  no itokiako, aoka  tsy  ho  menatra aho » (and 2a). Ny matoky  dia mino no heviny. Tsy izany ihany, fa hoy   koa izy : « eny, tsy hisy ho menatra  izay rehetra  miandry  Anao » (and 3a). Ny miandry kosa  dia mitovy   hevitra  amin’ny hoe: manantena. Toy  ny  miteny   ilay mpino hoe: ianao   no inoako   , ka matoky  aho. Koa manantena  aho  fa tsy hitsanga-menatra  amin’ny adiko  rehetra  sy amin’izay  manjo  ahy ! Samy tsy tongatonga  ho azy  anefa   na ny  finoana  (matoky) na ny fanantenana (miandry), satria ny teny fanomezan-toky dia  efa nataon’ny Tompo  taminao. Tsarovy  ireny  dia hatoky  sy hino  ary hanantena  ianao, ka tsy   avelan’ Andriamanitra  hitsanga-menatra  amin’ny adinao rehetra.

2-Miaike  ny helokao  sy ny fahotanao 

Ny  and 6-7 dia milaza  fifonana  sy fiaiken-keloka. Ho  an’izay  tsy te-hitsanga-menatra dia mazava  tsara  ny fomba hizorana  ho amin’izany  , ankoatra  ny voalaza  teo aloha : miaike heloka, andeha hifona amin’ny Tompo  mba handraisantsika famelan-keloka , ka hosaronany  ny fahotantsika  mba  tsy ho tazana  ary  tsy ho hita . Amin’izay  tsy hiseho  ho hitam-bahoaka  ny ota   sy ny fahalementsika  mety hahamenatra, satria  voasarona.

Fanontaniana:

Ahoana  ny fahatakaranao  ny hoe: « Sambatra  ny olona izay  …voasarona ny fahotany » ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !