MOFON’AINA ZOMA 09 AOGOSITRA 2019

10 Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. 11 Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. 12 Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra [lanitra]. 13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
EFESIANA 6 : 10-13

KRISTIANINA TSARA FITAOVAM-PIADIANA

Raha vao miresaka ady ifanaovana amin’ny fahavalo dia tsara ny mahafantatra fa izay tsara fitaovana no azo antoka handresy. Ny fahatsaran’ny fitaovana ampiasaina mantsy dia tena manampy be dia be mihitsy amin’ny fiatrehana ny fahavalo. Eto dia ampianarin’i Paoly ny Kristianina mba tsy hanao tsinotsinona ny fitaovam-piadiana rehefa hifanandrina amin’ny fahavalo. Izay tsara fitaovana mandresy amin’ny ady, izay mahay mampiasa tsara ny fitaovana eo am-pelantanany ihany koa no mandresy amin’ny ady. Ireto no hafatry ny tenin’ny Tompo

  1. Manàna ny herin’ny Tompo (and 10)

DIEM « noho ianareo tafaray amin’ny Tompo dia matanjaha omban’ny heriny tsy hay tohaina »

Raha vao miatrika ady, indrindra amin’ny favalon’ny finoana sy ny filazantsara dia tsy mahazo misaraka amin’ny Tompo ny mino. Eto dia mazava tsara fa mila mahery izy ireo, ary izany fampaherezana izany dia azony avy amin’ny fiombonany amin’ny Tompo. Ilay fiombonana amin’ny Tompo no tonga loharanon-kery ho entiny mandresy ny asan’ny fahavalo. Eto dia ambaran’i Paoly tsara fa ilay herin’Andriamanitra izay ho enti-mandresy ny fahavalo dia tena hery lehibe tsy hay resena, tsy hay tohaina araka izay voasoratra. Mandresy amin’ny ady isika noho isika tafaombona tanteraka amin’ny Tompo.

  1. Mampiasa ny fitaovam-piadiana omen’ny Tompo (and 11,13)

DIEM « Itafio avokoa ny fiadiana omen’Andriamanitra… raiso avokoa ny fiadiana omen’Andriamanitra »

Nomen’Andriamanitra hampiasaina ny fitaovana ho enti-mandresy ny devoly. Arak’izay voasoratra eo amin’ny andininy manaraka dia maro izy ireo: fitaovana dimy be izao ho fiarovan-tena: marina – rariny – fitoriana ny filazantsara – finoana – famonjena; ary iray no fitaovana ho enti-mamely: ny tenin’Andriamanitra. Tsy nomen’Andriamanitra antsika mba ho enti-mianjaika izy ireo fa tena hampiasaina tokoa. Koa izay tsy mampiasa izany dia ho mora amin’ny fahavalony ny mandresy azy. Tena zava-dehibe koa ny fahaiza-mampiasa ireo fitaovana ireo, satria tokoa na dia tsara toy ny inona aza ny fitaovana kanefa tsy hay ny mampiasa azy dia tonga vesatra ho an’ny tena indray izany.

  1. Mitolona amin’ny fanahy ratsy (and 12)

DIEM « tsy olombelona nofo aman-dra akory no ifanandrinantsika fa ireo fanahy ratsy eny an-habakabaka »

Tsy tokony hanadino ny mino fa anisan’izay fitaovana mahomby indrindra eo amin’ny mpifanandrina ny fahalalana ny amin’ny fahavalony. Rehefa fantatra tsara ny fahavalo dia ho mora ny mitrandraka izay mampahalemy azy handavoana sy handresena azy. Be dia be no tsy resy lahatra ny amin’ny hianarana ny amin’ny demonia, kanefa raha te handresy azy dia tsy maintsy hianarana tsara ny momba azy. Ny fianarana momba ny demônôlojia arak’izany dia tena manana tanjona mazava, hahafantarana azy handresena azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.