Mofon’aina – Zoma 09 desambra 2016

TEXTESA4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin’ ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.5 Dia nosokafan’ i Ezra teo imason’ ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.6 Ary Ezra nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tànana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Jehovah.7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’ izay nitoerany ihany.8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ ny olona tsara ny teny novakina.NSGUILLEMENT
NEHEMIA 8 :4-8

MANKALAZÀ AN’ ANDRIAMANITRA AMIN’NY FANOMPOAM-PIVAVAHANA

Mba hampandeha araka ny tokony ho izy ny fanompoampivavahana dia ilaina ny mahafantatra sy manaraka fandaminana .Samy manana ny andraikiny ny tsirairay avy mba ho fankalazana ny Tompo . Toy izao izany :

1-Mitsangana ambonin’ny lampihazo ny mpamaky

Nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny zanak’Israely ny lalàna, ka tena nohajaina fatratra : mitsangana amin’ny toerana avo sy voatokana ny mpamaky (and4). Ny lesona ho antsika : tsy ny olona rehetra akory no hahazo miakatra eny ambony polipitra sy ny toerana famakian-teny sy fitorian-teny ireny. Araka izany, ilàna fiomanana fatratra ny famakian-teny ary tsy atao kitoatoa.

2-Mihaino sy mifantoka tsara ny vahoaka (and 5)

Naharitra fotoana lava tokoa ny famakiana ny teny, kanefa dia naharitra nihaino tsara ny vahoaka. Nekena sy nakatoavina avokoa izay rehetra voalaza. Manamafy izany ny fiaraha-mitsangana, fanandratan-tànana, ny fiakohofana ary ny fiaraha-miredona hoe: « Amena » (and 6) izay midika hoe : « Marina dia marina tokoa », « ekena tokoa ». Latsa-danja ny fanajana ny fanajana sy ny fifantohan’ny olona amin’ny toriteny ankehitriny. Toa tsy tsaroana akory izay nambara, ny sasany matory na mivoaka mitabataba. Tsy mankalaza ny Tompo ny toy izany.

Fanontaniana:

Inona no mba voarainao tamin’ny toriteny tamin’ny alahady lasa teo ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !