Mofon’aina – ZOMA 09 MARTSA 2018

17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa.18 Fa izany no nahatanterahan’ Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan’ ny Kristiny.19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo,20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesoa,21 Ilay tsy maintsy horaisin’ ny lanitra mandra-pihavin’ ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ ny voalohany indrindra.
ASAN’NY APOSTOLY 3 :17-21

Lehilahy  nalemy tongotra  hatrany  an-kibon-dreniny   no  tafatsangana noho ny  finoana  ny Anaran’i Jesoa Kristy(and 16) ary  nahagaga  ny  olona rehetra  ny nahita  azy  . Fa tarihan’ny  Tompo ny fijerintsika ka :

1-Ampiany   isika handini-tena

Ny   finoana  ananantsika  dia tsy  maintsy   hita  miharihary   amin’ny fiainana andavanandro. Ny  olona  talanjona  tamin’ny  fahasitranan’ilay  nalemy  teo  aloha  iny  dia nihazona  an’i Petera sy i Jaona  (and 11)satria  tsy  ampy ny finoany an’i Jesoa Kristy  na dia  tonga  tao  amin’ny Tempoly  aza ireo . Mampandini-tena antsika izany  fandrao  lasa fahazarana  ny  miditra  ny trano  fiangonana ka tsy   miandrandra zava-baovao  avy amin’ny Tompo. Aoreno  mafy  ny finoana fa Anarana mahavonjy  ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo. Minoa  Azy dia hahita  ny Voninahiny .

2-Asainy   mibebaka  isika 

Izay  mahatsiaro  tena  ho malemy  no mitady  mpampahery, ary  izay  mahatsapa   ny fahotany   no mandroso  mibebaka. Lalàm-piainana  miaraka  amin’ny  Tompo  izany  araka  ny hamerenan’ny  Apostoly  eo  amin’ny olona  ny famonjena  nataon’i Jesoa Kristy  teto an-tany . Tarihany  hibebaka  isika mba  hamonoany  ny fahotantsika rehetra  ka hananantsika  fifaliana  sy fiadanana. Ny Tompontsika  no mitady  fihavanana amintsika izay tafasaraka  noho ny heloka  sy ny fahadisoantsika. Fiombonam-piainana ety an-tany  ka hatrany  an-danitra   no kendren’ny  Tompo Jesoa  ho antsika.

Fanontaniana:

Inona no ataonao  rehefa manao  fanomanam-panahy ao am-piangonana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !