MOFON’AINA ZOMA 1 APRILY 2022

22 Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany, 23 Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny olona tsy tan-dalàna; 24fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy laitr’izany hohazonina Izy. 25 Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho, 26 Dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ny fanantenana; 27 Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao; 28 Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao (Sal. 16 : 8-11). 29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany. 30 Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, 31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò.ASAN’NY POSTOLY 2:22-31

1- Novonoinareo sy nohomboanareo i Jesoa

Ny vahoaka izay niresahan’i Petera eto no voatondro ho namono an’i Jesoa araka ny voambolana hita eto : nohomboanareo sy novonoinareo.Raha ny marina anefa dia tsy namono Azy mivantana akory izy ary azo atao hoe : tsy nikasi-tànana Azy mihitsy fa nampiasaina izany teny izany kosa dia entina ilazana fa iombonan’ny manam-pahefana mpanapa-kevitra sy ny vahoaka Jiosy rehetra ny trangan-javatra tahaka izao .Amin’ny teny hafa dia hoe : mitovy ny Jiosy rehetra manoloana ny trangan-javatra tahaka izao fa miara-manapa-kevitra sy manatanteraka ny rehetra ary tsy misy fanoheran-kevitra azo atao mihitsy izany. Koa izany no tsy nisalasalan’i Petera niteny hoe : nohomboinareo sy novonoinareo ny Tompo Jesoa .Raha tsorina ny fiteniny dia izao mpamono olona ianareo , kanefa fantaro kosa fa mahavita zavatra mahagaga lavitra noho izany ny Tompo satria :

2-Andriamanitra mahay manangana Azy indray

Haseho eto ny fahambonian’ny fahefan’Andriamanitra miohatra amin’izay heverin’ny olona ho hery sy fahefany. Raha mihevitra mantsy ny olona hoe : andeha hovonoina i Jesoa mba tsy ho afaka hanao na inona na inona intsony dia haseho eto fa tsy araka ny fiheveran’ny olona velively akory ny trangan-javatra misy. Ny olona no mihevitra hoe : tapitra eo amin’ny fahafatesana ny zavatra vita sy ataon’ny olona , saingy aseho eto fa Andriamanitra Izy fa tsy olona ary tsy takatry sain’ny olona mihitsy ny fahiziany .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.