MOFON’AINA ZOMA 10 APRILY 2020

7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy. 8. Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin’ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy, **Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?] 9. Ary nokasaina hatao tao amin’ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina)*, na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin’ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy] 10. Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tanany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy] 11. Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy* no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ireo. [Hebreo:fahalalany] 12. Koa dia hanome Azy anjara amin’ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ny mahery Izy*; Satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady manao** fifonana ho an’ny mpanota.
ISAIA 53 : 7-12

JESOA NO ILAY MPANOMPON’I JEHOVAH

Araka ny mpandinika maro, ny bokin’i Isaia dia filazantsaran’ny Testamenta Taloha. Tena miharihary be ny filazana ny amin’i Jesoa ao. Zoma masina anio, ireto no faminaniana ny amin’i Jesoa amin’ny andro zoma masina

  1. Nomboina teo amin’ny hazo fijaliana nitondra ny heloky ny olona rehetra (and 11)

« ary Izy no hivesatra ny helok’ireo »

Fanao taloha teo amin’ny jiosy ny mitondra biby iray hovonoina mba hangataham-pamelana famelan-keloka amin’Andriamanitra. Tamin’izany dia biby iray no novonoina ho an’ny olona iray. Ary isaky ny manota ny olona dia manao toa izany. Rehefa tonga kosa anefa Jesoa Kristy dia Izy no nanaiky novonoina hisolo heloka ny olona rehetra. In-dray mandeha ihany io fisoloana heloka io ary misitraka azy avokoa ny olona rehetra.Noho ny fahotana dia tsy maintsy misy rà halatsaka ho fanafahana amin’ny heriny ota. Ambaran’ny faminanian’i Isaia fa Jesoa no nitondra ny heloky ny olona rehetra teo amin’ny hazo fijaliana. Ny fitondrana ny heloky ny olona rehetra dia tena vesatra tokoa. Mafy tamin’i Jesoa satria nihatra aman’aina izany. Ary araka ny perikopa omaly alakamisy masina dia nahafadiranovana ny fanahin’ny Tompo.Nitondra ny mafy sy ny mavesatra ny Tompo mba ahafahana namono ny herin’ny fahotana, fanoloran-tena sarobidy sy lehibe indrindra izany.

  1. Nifona ho an’ny rehetra (and 12)

« Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady manao fifonana ho an’ny mpanota »
Mba afahana mahazo famelan-keloka dia mila mifona, mibebaka, mangataka famindram-po amin’Andriamanitra mba tsy haringan’Andriamanitra noho ny fahotana. Eto dia efa lazain’ny mpaminany sahady ny asa fanompoan’ity mpanompon’i Jehovah ity, tsy iza izany fa Jesoa Kristy.
Tanteraka ity faminaniana ity rehefa tena teto amin’izao tontolo izao Jesoa. Nifona ho antsika tokoa Izy. Ary anisan’ny teny nataony teo amin’ny hazo fijaliana tsaroana amin’izao zoma masina izao izany. Hoy Jesoa : « mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony ». Ary araka ny fampianaram-pinoantsika, dia mitohy hatrany an-danitra Jesoa mifona ho antsika eo an-kavanan’Andriamanitra.

Manana tombony lehibe isika kristianina noho ny amin’i Jesoa. Mamela heloka antsika tokoa Andriamanitra rehefa mijery an’i Jesoa. Samia mialoka ao ambany helatr’i Jesoa dia hisitraka hatrany ny Famindrampon’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.