MOFON’AINA ZOMA 10 JANOARY 2020

1 Ary tamin’izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ny fiangonana. 2 Ary izy namono an’i Jakoba, rahalahin’i Jaona, tamin’ny sabatra. 3 Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’izany). 4 Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-trano-maizina ka natolony tamin’ny miaramila enina ambin’ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. 5 Ary Petera nambenana tao an-trano-maizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’Andriamanitra ho azy. 6 Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy Petera tamin’iny alina iny, sady voafatotra tamin’ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny trano-maizina teo am-baravarana. 7 Ary, indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin’ny tànany ny gadra. 8 Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy. 9 Dia nivoaka izy ka nanaraka azy; ary tsy fantany ho marina izay nataon’ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy, 10 Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin’ny vavahady vy izay mahazo ny làlana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy dia nandroso tamin’ny làlana iray; ary niaraka tamin’izay dia nandao azy ilay anjely. 11 Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ny tànan’i Heroda sy ny fanantenan’ny Jiosy rehetra. 12 Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao. 13 Ary raha nandôndôna ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino. 14 Ary rehefa nahalala ny feon’i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady. 15 Fa hoy ny olona taminy: Very saina hianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany. 16 Fa Petera naharitra nandôndôna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona. 17 Fa izy nanofa tànana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ny Tompo azy avy tao an-trano-maizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ny fitoerana hafa.
ASAN’NY APOSTOLY 12 : 1-17

ANDRIAMANITRA MANAFAKA AMIN’NY FATOTRA MAMONJA

Izao mofonaina izao dia fitantarana ny fomba mahagaga nanafahan’Andriamanitra an’i Petera tao an-trano-maizina. Na dia nasiaka sy loza aman-tany aza Heroda tamin’izany dia asehon’ny tantara fa voafetra ny heriny ary tena mbola mahery noho Izy Andriamanitra ka manafaka amin’ny fomba mahagaga. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra anio

  1. Mahereza mangataka ho an’izay voafatotra sy voageja (and 1-5)

« ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’Andriamanitra ho azy »

Asehon’i Lioka fa ny tanan’i Heroda dia mahery mampahory ny kristianina. Novonoina Jakoba ary nosamboriny koa Petera ka nokasainy hovonoina koa noho ny fitiavana sitraka tamin’ny Jiosy. Eo anatrehan’ny fisamborana sy fanaovana an-tranomaizina an’i Petera dia ambara eto amin’ny and 5 fa nahery nangataka ho an’i Petera ny Fiangonana. Ny hoe mahery mangataka dia azo adika hoe : mivavaka mandrakariva – tsara fifandraisana tamin’Andriamanitra ny Fiangonana. Eo amin’ny and 7 rehefa nahery nangataka ny fiangonana dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely hanafaka an’i Petera.Mahereza mivavaka ho an’ny hafa, indrindra ireo voafatotra sy voageja amin’ny endriny samihafa fa mahatonga an’Andriamanitra haniraka Anjely hanafaka azy ireo izany. Mivavaha ho an’ny Mpitondra mba ho afaka amin’ny fitiavan-tena, vola, fahefana, sns… mivavaha ho an’ny raim-pianakaviana (lehilahy) mba ho afaka amin’ny gejan’ny fijangajangana sy ny zava-mahadomelina samihafa, mivavaha ho an’ny vahoaka Malagasy mba ho afaka amin’ny gejan’ny fanompoan-tsampy sns…

  1. Araho ara-bakiteny ny tenin’Andriamanitra fa manafaka izany (and 7-9)

Izay rehetra notenenin’ilay Anjely eto dia nataon’i Petera avokoa. Mitsangàna – misikina – fehezo ny kapa – mitafy lamba – araho aho. Aseho ho lehilahy manaraka ara-bakiteny ny tenin’ilay Anjely Petera eto. Fanalahidy iray lehibe tena manafaka amin’ny geja ny fanarahana araka ny tokony ho izy izay voalazan’ny tenin’Andriamanitra. Manana hery manafaka amin’ny geja sy fatorana maro ny tenin’Andriamanitra. Izany no mahatonga antsika fiangonana manao ho zava-dehibe ny tenin’Andriamanitra ka miezaka mizara izany amin’ny endriny maro samihafa : toriteny – fampianarana – asa soratra amin’ny boky – tantara samihafa, sns…Rehefa tena omentsika Malagasy sehatra eo amin’ny fiainantsika ny tenin’Andriamanitra dia hiseho ny tana-maherin’Andriamanitra manafaka ny firenena amin’ny geja samihafa mamonja antsika Malagasy.

  1. Izay nafahan’Andriamanitra marina dia mandeha miazakazaka mamonjy fiangonana (and 11-17)

Rehefa nahatsiaro tena Petera dia zavatra voalohany nataony ny nanatona ny fiangonana tao an-tranon’i Maria renin’i Jaona. Nahitana olona maro niombona tao, nivavaka. Nanatona ity fiombonana masina ity Petera mba : hiombona amin’ny mpino Kristianina toa azy – nijoro vavolombelona tamin’ny asan’Andriamanitra nanafaka azy – naniraka ny tao mba handeha hampiely izany asan’Andriamanitra izany. Manatona fiombonana masina mandrakariva izay tena mahatsiaro ny tenany nisitraka ny fanafahan’Andriamanitra azy.

Ny fiangonana ry havana dia tsy tokony hohadinoina fa :

– Sehatra iombonana amin’ny mpino toa ny tena

-Sehatra ijoroana vavolombelona ny amin’ny asan’Andriamanitra teo amin’ny fiainana
– Sehatra hanirahana ny mpino hanely ny asan’Andriamanitra manafaka tamin’ny alalan’i Jesoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.