MOFON’AINA ZOMA 10 JOLAY 2020

12 Ary tamin’izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin’ny lohan’ny mpisorona, 13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin’izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. 14 Ary rehefa lavo tamin’ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin’ny teny Hebreo hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. 15 Dia hoy izaho: Iza moa Ianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. 16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy , sy izay hisehoako aminao, 17 hamonjy anao amin’ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18 hampahiratra ny masony hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’izay nohamasinina noho ny finoana Ahy
ASAN’NY APOSTOLY 26 : 12-18

IRAK’I JESOA KRISTY NY MINO

Boky tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao ny Asan’ny Apostoly. Noho ny asan’ny Fanahy Masina dia lasa nandeha nitory ny filazantsara ny mino, ireo kristianina voalohany. Tena nahomby be izy ireo ka haingana be mihitsy ny fiitaran’ny finoana kristianina sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mizara roa ny boky raha atao topi-maso maimaika. Ny tapany voalohany dia mitantara ny asa fanompoana notanterahin’i Petera sy ireo mpiara-dia taminy, ny tapany faharoa kosa dia milaza ny asa fanompoana notanterahin’i Paoly sy ireo mpiara-dia taminy. Eto amin’izao mofonaina izao dia tantarain’i Paoly tamin’ny Agripa mpanjaka ny fomba nifanenany tamin’i Jesoa. Nampahafantarin’i Jesoa taminy fa Izy no henjehin’i Paoly raha manenjika ny kristianina izy. Tamin’izany koa no nandresen’i Jesoa Kristy lahatra azy hitory ny filazantsara sy ho irany hanaparitaka ny finoana Azy. Irak’i Jesoa ny mino

  1. Iraka manambara izay nasehon’i Jesoa azy (and 16)

« 16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy, sy izay hisehoako aminao »

Paoly Apostoly no asain’ny Tompo Jesoa mitsagana sy mijoro ka hanambara izay nisehoan’i Jesoa taminy. Izy rahateo koa no ambara eto fa notendren’i Jesoa no mpanompony. Mpanompo hanambara izay navelan’Andriamanitra ho hitany, izay nasehon’Andriamanitra azy. Mpanompon’Andriamanitra izy, koa izay nasehon’Andriamanitra azy ihany, tsy misy zavatra ivelan’izay azony ambara. Inona moa ity hoe nasehon’i Jesoa azy ity fa tsy ilay Jesoa nazava lehibe teny amin’ny lalan’i Damaskosy. Jesoa fahazavana, Jesoa ao anatin’ny famirapiratan’ny voninahiny no hitany. Ary rehefa tena mihaino ny fitoriana ny filazantsara ambaran’i Paoly isika dia tena votoatin’ny filazantsara toriany ity fihaonany tamin’i Jesoa ity. Rehefa mandeha manambara an’i Jesoa amin’ny maha-irany azy ny mino arak’izao dia tsy mamorona zavatra hafa ankoatra izay navelan’Andriamanitra ho hitany. Samy nanana ny fomba nihaonany tamin’i Jesoa ny mino rehetra. Ireny fihaonana ireny koa dia fomba iray ijoroana ho vavolombelon’i Jesoa amin’ny manodidina.

  1. Iraka hanafaka ny olona amin’ny herin’ny maizina (and 17,18)

« Izay anirahako anao, 18 hampahiratra ny masony hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’izay nohamasinina noho ny finoana Ahy »

Ilay maha-iraka koa dia mazava tsara eto fa fiaraha-miasa amin’Andriamanitra mba hanaisotra ny hafa amin’ny herin’ny haizina sy eo ambany fahefan’i satana. Izay rehetra afaka amin’ny herin’ny maizina sy ny gejan’i satana no omen’Andriamanitra famelan-keloka sy fiainana mandrakizay. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra mampiditra ny olona rehetra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra arak’izao ny mino. Mba ahafahana mahatanteraka izany dia ambara mazava tsara aloha fa asa fototra ataon’ny mino mampahiratra ny mason’ny olona. Efa nohajambain’i satana mantsy ny mino ka tsy afaka mahita an’Andriamanitra intsony. Izany rahateo no nolazain’i Jaona raha niteny izy hoe : « Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy » (Jaona 1 :10). Ilay hoe tsy nahalala Azy dia ho enti-milaza fa tsy nahafantatra an’i Jesoa ho Ilay fahazavan’izao tontolo izao. Mila antsika kristianina ho mpiara-miasa Aminy Jesoa hampahafantatra Azy indray ka hahatonga ny olona rehetra hahalala Azy.

Meteza arak’izao ho mpiara-miasa amin’i Jesoa, ho irany mba hanafaka ny olona rehetra amin’izao mbola mamatotra azy ka tsy hahalalany an’i Jesoa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.