Mofon’aina – Zoma 10 martsa 2017

1 Koa amin’ izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.2 Nefa fantatsika fa ny fitsaran’ Andriamanitra dia araka ny marina amin’ izay manao toy izany.3 Ary ianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran’ Andriamanitra ianao?4 Sa hamavoinao ny haren’ ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?5 Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no iraketanao fahatezerana ho anao amin’ ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’ Andriamanitra,6 Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:7 ho an’ izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;8 fa ho an’ izay mitady ny ho an’ ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,9 eny, fahoriana sy fahantrana ho an’ ny fanahin’ ny olona rehetra izay manao ratsy, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa;10 fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an’ ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.11 Fa tsy misy fizahan-tavan’ olona amin’ Andriamanitra.
ROMANA 2 :1-11

NY FITSARAN’ ANDRIAMANITRA

Tsy  mba manavaka Andriamanitra. Na iza na iza  manao ny tsy marina eo anatrehany dia iharan’ny fitsarany avokoa. Toe-javatra  fahita  matetika  ny fahitana olona  iray mitsara  na manameloka  ny namany heverina  ho nanao ny tsy mety. Tsarovy   fa isika  dia tsy afa-miala  amin’ny fitsarana ataon’ Andriamanitra.

2-Manam-paharetana  Andriamanitra

Fitiavana Andriamanitra. Noho izany  dia tsy  mampihatra  ny fitsarany avy hatrany amin’ny fahotana ataon’ny olona Izy. Manana  ny fotoanany  voatendriny amin’ny famaliana  sy ny fitsarana  araka ny ataon’ny olona tsirairay Izy. Izany  dia fanomezana  fotoana  ho an’ny olona mba hibebahany hialany  amin’ny làlan-dratsy.

3-Mitsara marina araka ny ataon’ny olona Izy

Tsy avelan’ Andriamanitra ho afa-maina  ny mpanao ratsy. Rehefa tsy manaiky  hibebaka  hiala  amin’ny fahotana  ny olona  dia ho tonga  tokoa  ny famaliana  araka  izay nataon’ny olona . Ny mpanao ratsy hiharan’ny fampahoriana fa ireo manao ny tsara  kosa handray fahasoavana (and 9,10).

Fanontaniana:

Mitondra inona  ho anao ny fahafantarana fa mbola hotsarain’ Andriamanitra araka ny natao ny olona

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !