MOFON’AINA ZOMA 10 OKTOBRA 2019

17 Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo ety am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. 18 Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’izao andro izao? 19 Fa hoy Izy taminy : Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, 20 dia ny amin’ny nanoloran’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ny hazo fijaliana. 21 Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’izany nahatongavan’izany. 22 Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahavery hevitra anay, fa tany amin’ny fasana maraina koa izy, 23 ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy. 24 Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany. 25 Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany. 26 Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ny voninahiny? 27 Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra. 28 Ary efa mby teo akaikin’ny vohitra izay efa halehan’izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa. 29 Fa ireo nanery azy ka nanao hoe: Mitoera aty aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy. 30 Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy. 31 Dia nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
LIOKA 24 : 17-31

JESOA MAMELONA NY FANANTENAN’NY MPIANANY

Resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ireo mpianany roa lahy ho any Emaosy izao mofonaina izao. Resaka izay nahitan’i Jesoa ny fahadisoam-panantenan’izy ireo noho ny tsy finoany ny amin’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Tsy hitany fa ity lehilahy miresaka aminy eny an-dalana ity dia Jesoa izay nitsangana tamin’ny maty. Asehon’izao tantara izao fa Jesoa dia mamelona ny fanantenan’ny mpianany ka

  1. Mihaino azy (and 17-24)

« Ahoana izao teny resahinareo ety am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. 18 Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalalaizay zavatra tonga tao tamin’izao andro izao? »

Ny tantara dia mampiseho amintsika an’i Jesoa tena niezaka nihaino ireo mpianany sy ny fahadisoam-panantenany. Nihaino azy ireo miaraka amin’izay mety ho fitarainany, nihaino azy ireo amin’izay eritreriny ny amin’i Kristy. Sarotra amin’i Jesoa tokoa ny hamelona ny fanantenan’ny mpianany raha tsy fantany tsara aloha izany. Miatomboka amin’ny fahafantarana ny zava-mahazo sy ny zavatra sainin’ny mpianatra no ahafahan’i Jesoa manampy azy ireo amin’izany. Fotoana lava dia lava tokoa ny nolanian’i Jesoa nihainoana azy roa lahy ireto. Toa izay nataon’ireo roa lahy ireto, resaho amin’i Jesoa avokoa, zarao Aminy avokoa izao mety ho eritreritsika mba ahafahany manampy antsika hiala amin’izay mety ho fahadisoam-panantenana ihany koa.

  1. Mampianatra Soratra Masina (and 25-27)

« Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra »

Rehefa ren’i Jesoa avokoa izay zavatra tao an-tsain’ireto mpianany. Teo anatrehan’izany dia niroso tamin’ny fampianarana Soratra Masina azy ireo Jesoa. Izany hoe raha ny marina dia namerina azy ireo hahatsiaro ny Soratra Masina. Naverina amin’ny fototra izay manambara mazava ny momba an’i Jesoa. Mora handairan’ny fahadisoam-panantenana arak’izao izay manadino ny Soratra Masina. Ary mba ahafahana mamerina izany fanantenana izany dia mila miverina amin’ny fototra dia ny Soratra Masina izany. Ny tenin’Andriamanitra, izay milaza mazava ny amin’i Kristy ihany no mamerina ny olona amin’ny tena fanantenana marina. Koa raha maro ny olona diso fanantenana dia mila manao ezaka ny fiangonana hampianatra Soratra Masina.

  1. Manokatra ny maso (and 28-31)

« Dia nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy »

Mazava tsara eto fa Jesoa mihitsy no nanokatra ny mason’ireto mpianany mba halalany Azy. Raha tsy miasa Jesoa dia mbola hosahirana ny olona hamantatra Azy. Asan’Andriamanitra arak’izany ny mampahafantatra tanteraka ny tenany. Sarotra amin’ny olona ny hamantatra an’Andriamanitra raha tsy miasa ao aminy Andriamanitra. Eto dia fomba iray nanokafana ny mason’ireto mpianatra ny sakramenta masina. Ny famakiana ny mofo mantsy dia endriky ny fanasan’ny Tompo, rehefa nanao izany Jesoa dia niverina nahiratra sy nahatsiaro an’i Jesoa ny mpianany. Zava-dehibe arak’izany ny fizarana ny sakramenta satria mampahatsiaro an’i Jesoa izany, mahatonga antsika hahita an’i Jesoa izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.