MOFON’AINA ZOMA 10 SEPTAMBRA 2021

44 Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’ izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.45 Ary talanjona ny mino isan’ ny voafora izay niaraka tamin’ i Petera, satria nilatsaka tamin’ ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.46 Fa nandre azy niteny tamin’ ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’ Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe:47 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?48 Dia nasainy natao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.
ASAN’NY APOSTOLY 10.44-48

NY FANAHY MASINA

1-Nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny

« Raha mbola nilaza izany teny izany i Petera dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny Fanahy Masina » (and44) .Zava-dehibe ny fifantohana , fihainoana , fihainoana ary fandraisana ny Tenin’Andriamanitra . Voalaza eto fa izany dia loharano niteraka ny ony izay nahafahan’ireo izay nihaino nilatsahan’ny Fanahy masina . Izany dia ankoatra ireo fomba hafa efa fantantsika handraisana fahasoavana hisitrahana ny Fanahy Masina toy ny fametrahan-tànana , fangatahana amin’ny Tompo , ny vavaka ary indrindra fa ny fandraisana an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy.

2-Tsy mijery tavan’olona

« Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera satria nilatsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana dia ny Fanahy Masina » (and45). Ny Fanahy Masina dia tahaka ny persona izay miteny , mibaiko : »hoy ny Fanahy Masina » (and19), any amin’nys ehatra hafa dia manana fihetsehampo ny Fanahy Masina . « Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra « (Efes 4.30), ary eto dia toy ny manana fanapahan-kevitra ny Fanahy Masina ka nisafidy tsy hijery tavan’olona ka nilatsaka tamin’ny Jentilisa ireny ilay « ondry hafa » izay tian’i Jesoa ho ao am-bala ihany koa.

3-Tsy afa-misaraka amin’ny fandraisana Sakramenta

Indraindray dia ny batisa no lasa alohan’ny fandraisana ny Fanahy Masina (Asa 8.17). Indraindray miaraka amin’ny fotoana iray izany ary eto dia ny batisa no aloha . Ny iombonan’ireo dia mifampiankina sy mifampitohy ireo .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.