MOFON’AINA ZOMA 12 JONA 2020

1 Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina? 2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. 4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! Dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny? 6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, na dia hotsarain’ny tsy mino aza. 7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? 8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
1 KORINTIANA 6 : 1-8

NY FIANGONANA KRISTIANINA

 Paoly ry havana no Apostoly nanoratra boky be indrindra ao amin’ny Testamtenta vaovao. Anisan’ny matanjaka indrindra ny Teôlôjiany ao amin’ny tontolon’ny Testamenta Taloha. Sady lehilahy tia nanoratra Paoly, kanefa lehilahin’ny asa fitoriana ny filazantsara koa. Ireo traikefa be dia be hitany tamin’ny ireo fiangonana maro naoriny koa dia anisan’ny nahafahany nanoratra Teôlôjia anisan’ny matanjaka. Izany no nahatonga ireo gezalahy tamin’ny fanitsiam-pivavahana toa an-dr’i Lotera rehefa nitondra ny fanitsiam-pivavahana dia niainga tamin’ny asa sorany ho an’ny Romana. Nanoratra ho an’ny Kristianina tany amin’ireo fiangonana naoriny izy, fa tsy nanadino nanoratra koa ho an’ireo zanany am-panahy izay tonga tomponandraiki-piangonana toa an’i Timoty sy Titosy ary Filemona. Iray tamin’ireo fiangonana nanoratany Korinto.

Fiangonana nampasiaka an’i Paoly ny fiangonana tao Korinto. Hita tao avokoa ny karazan’olana fahita amin’ny fiangonana rehetra. Ary ny famakiana ny soratr’i Paoly ho an’ny Korintianina dia mampiharihary ny olan’ny fiangonana ankehitriny. Ireto no fahalemen’ny fiangonana tao Korinto

  1. Nisy ady tao (and 7)

« Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo »

Kilema no iantsoan’i Paoly ny ady tao amin’ny fiangonana tao Korinto. Ny kilema dia tsy tokony hohadinoina fa anisan’ny zavatra izay tsy mampandeha araka ny tokony ho izy ny olona. Koa noho io ady, kilema io dia tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fiainam-piangonana tao Korinto. Amin’ny maha-olona, na dia masina aza ny fiangonan’Andriamanitra dia manana fahalemena, miady ny kristianina ao aminy. Io ady io anefa dia sady mampahalemy no manala-baraka ny fiangonana. Tsy ilaozan’ny olana toa izany ny fiangonana, tsy ilaozan’ny olona miady ka samy tokony handinin-tena ny kristianina ao aminy. Ny famakiana ny tantaran’ny fiangonana toa izao dia tena fangalana anatra amin’izay fomba hifampitondrana sy hifandraisana eo amin’ny fiangonana kristianina ankehitriny.
Ny herin’Andriamanitra izay homeny amin’ny alalan’i Jesoa sy ny asan’ny Fanahy Masina ihany no hanampy antsika kristianina tsy ho resin’ny fahalemena mpahazo ny olon’ny fiangonana. Rehefa tena miasa amintsika Andriamanitra dia hanana hery ho enti-mandresy ireny fahalemena samihafa ireny isika.

  1. Nisy fanambakana tao (and 8)

« Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? 8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza »

Rehefa tsy manam-pitiavana ny olona dia miseho avokoa ny karazam-pahalemena samihafa manimba azy sy ny fiangonan’Andriamanitra. Hita tao Korinto koa ny fanambakana ny hafa.

 Toe-tsaina sy toe-po tsy manam-pitiavana ny fanambakana. Mifanohitra amin’ny faha-izy-an’ny fiangonan’Andriamanitra mihitsy izany. Ny fiangonan’Andriamanitra izay naorin’i Jesoa mba ho sehatra hitsinjovana ny hafa, sehatra hanampiana ireo sahirana, sehatra hanehoana fa manana ny fitiavan’i Kristy ny mpikambana rehetra ao. Ny tena mahamenatra dia kristianina ao amin’ny fiangonana ihany no manambaka ny kristianina toa azy. Ity fanambakana ny hafa ity koa no tonga fototry ny ady teo amin’ny fiangonana. Asehon’izao epistily izao fa tena misy tokoa olona tonga ao amin’ny fiangonana, tsy hitady famonjena fa manao izay mahamenatra sy manala baraka ny fiangonana. Ny mahagaga dia mbola misy izany mandraka androany, misy olona tonga mamboly korontana fotsiny ao amin’ny fiangonana. Tsy mba rototra amin’izay famonjena sy ny asan’Andriamanitra fa tena fitaovana eo am-pelantanan’ny maizina, manimba fiangonana.

Mbola betsaka koa ny manana toe-tsaina mpanambaka ka manao ny fiangonana ho fangoronan-karena sy ho loharanom-bola ho enti-mampanan-karena ny tenany. Tsy sitrak’Andriamanitra izany ka tokony tsy hataon’izay tena kristianina marina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.