MOFON’AINA ZOMA 12 MARTSA 2021

17 Finoana no nanateran’ i Abrahama an’ Isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin’ ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,18 dia ilay nilazana hoe: « Avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao ».19 Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin’ izany no nandraisany azy.
HEBREO 11 :17-19

NOZAHAN-TOETRA NEFA MBOLA MANKATO IHANY

Raha miresaka fizahan-toetra ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo dia Abrahama no resahiny. Ny fizahan-toetra an’i Abrahama mantsy dia :

1-Tsy zavatra mora

Ilay zanaka efa nandrasana an-taonany maro . Ilay hany valim-bavaka efa nandrasana ela no notakian’ Andriamanitra atao fanatitra indray. Asehon’ny tantara amintsika fa misy fotoana mitaky zavatra mafy amin’ny mpanompony ny Tompo . Fizahan-toetra mahamay izany araka ny nambaran’i Apostoly Petera . Amin’ny maha-olombelona dia mafy tokoa izany , ary mety tsy hahavita tahaka an’i Abrahama, izay nankato noho ny fatokiany an’Andriamanitra izay nanome azy an’i Isaka .Tsy zava-mora indraindray ny manaiky sy mankato ny Tenin’Andriamanitra. Azo atao tsara anefa izany araka ny ohatra nomen’i Abrahama.

2-Nanehoany ny fankatoavany ny Tompo

Na dia mafy tamin’i Abrahama aza ny fizahan-toetra nahazo azy, ka nahavoatery azy hahafoy ny zanany izay tiany .Nasehon’Andriamanitra tamin’i Abrahama fa lehibe lavitra noho ny fitiavan-janaka ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. Lehilahy natoky an’Andriamanitra rahateo koa anefa i Abrahama.Raha izany no takin’Andriamanitra taminy dia fantany fa misy antony ao Fantany fa hain’Andriamanitra ny manolotra sy manome izay tsara lavitra ho azy. Io fatokiany an’ Andriamanitra io no tsy nampisalasala azy hankato ny Tenin’ny Tompo

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.