Mofon’aina – ZOMA 12 MAY 2017

33 Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.34 Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin’ ny vokatry ny tany Egypta amin’ ny taon-jina fito.35 Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ ny anaran’ i Farao ho fihinana any amin’ ny tanàna maro, ka aoka hitahiry izany izy36 Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin’ ny tany ho amin’ ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin’ ny tany Egypta, mba tsy ho simban’ ny mosary ny tany.37 Ary sitrak’ i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.38 Dia hoy Farao tamin’ ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny, va isika?39 Ary hoy koa Farao tamin’ i Josefa: Satria efa nampahafantarin’ Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao;40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
GENESISY 41 :33-40

MENDRIKA NY OLON-KENDRY

Toy ny fampiharana  ny Mofonaina  omaly  ny tantaran’i Josefa. Nijaly sy niharam-pahoriana, kanefa  tonga nandresy tamim-boninahitra. Kihon-dàlana  namoahana  azy avy  amin’ny fahoriana  ho amin’ny fandresena  ity voalazan’ny Mofonaina androany ity.

1-Tendrena  sy tolorana andraikitra 

« … Aoka i Farao hizaha lehilahy manan-tsaina  sady hendry  ka hanendry  azy hanapaka  ny tany  … » (and 33). Ny hendry  sy ny manan-tsaina  no mendrika handray  andraikitra  sy tolorana adidy. Na  dia isika Malagasy aza dia milaza  hoe: « ny adidy  tsy an’olon-dratsy  ». Tsy  ahafahana  mitondra, na manapaka  ny tany  ny fahaizana   amam-pahalalana fotsiny, fa ny manan-tsaina  sady hendry. Tsy  ny manam-pahaizana amam-pahalalana  no mampahantra  antsika fa ny tsy fananantsika olon-kendry. Koa manàna fahendrena  mba hahazoantsika  mandray andraikitra. Ahoana ny hananana izany?

2-Noho  ny asan’ny Fanahy 

Voatendry  ho amin’ny  andraikitra ambony  i Josefa  satria  hita   tao aminy   ny fahendrena  noho ny fananany   ny Fanahin’ Andriamanitra  (and 38). Ny Fanahin’ny fahendrena  izay napetraky ny Tompo tao amin’ i solofon’i Jese, dia i Jesoa Kristy  (Isa 11,2) no  angataho  araka ny toro-làlana ao amin’ny Efes 1.17 mba hahatonga  antsika ho mpino  tomponandraikitra.

Fanontaniana:

Moa  misy toro-làlana ve azo raisitsika avy amin’izao  hafatra izao, rehefa mifidy tomponandraikitra?

Ho an’Andrimanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !